The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

Ny lovam-panahy momba ny fivavahana

 

2650. Ny vavaka dia tsy azo fintinina amin’ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin’ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny fivavahana : ilaina koa ny mianatra mivavaka. Ary amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery (ny Lovam-pampianarana masina) no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka,  ao amin’ny “Fiangonana mino sy mivavaka”[1].

2651. Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, ary amin’ny alalan’ny fitsofohana lalina amin’ny zava-misy ara-panahy izay nahatsapan’ izy ireo izany[2].

 

ANDALANA 1

Ny loharanon’ny fivavahana 

2652. Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay[3], ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i Kristy. Ary, ao amin’ny fiainana kristianina dia misy fantsakàna izay iandrasan’i Kristy antsika mba hisotroantsika ny Fanahy Masina :

Ny Tenin’Andriamanitra

2653. Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka dia tokony hiaraka amin’ny famakiana ny Soratra masina mba hirindran’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, satria "Aminy no ivantanantsika rahefa mivavaka isika, ary Izy no henointsika rahefa mamaky ny teny marin’ny Tompo isika"[4]”.

2654. Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo am-pivavahana, fa ho vohaina varavarana ianareo amin’ny alalan’ny fibanjinana”[5]

Ny litorzian’ny Fiangonana   

2655. Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray am-panahy amin’ny ôtely ny fo. Ny vavaka no mampiditra ao anaty sy mitsakotsako ny litorzia, mandritra sy aorian’ny fankalazana azy. Ny vavaka, na dia iainana “ao amin’ny mangingina” aza (Mt 6,6), dia vavaky ny Fiangonana lalandava, sady fiombonana amin’ny Trinite Masina[6].

Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra

2656. Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana :  amin’ny varavarana ety ny finoana. Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, ny Teniny no ilaintsika henoina sy tandremana.

2657. Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana. Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy ny vavaky ny tsirairay no mamelona ny fanantenana ao amintsika. Ny Salamo indrindra, amin’ireo fiteniny azo tsapain-tanana sy samy hafa, no mampianatra antsika hampifantoka ny fanantenantsika amin’ Andriamanitra : “Ny Tompo no nametrahako ny fanantenako rehetra ; niondrika tamiko Izy, nihaino ny fitarainako” (Sal 40,2). “Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny asam-pinoanareo, mba hitombo be dia be ao aminareo ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina !” (Rôm 15,13).

2658.“Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana antsika ao amin’i Kristy ary mahatonga antsika hamaly izany amin’ny fitiavana tahaka ny nitiavany antsika. Ny Fitiavana no loharanon’ny fivavahana ; izay manovo ao, mahatratra ny fara tampon’ny fivavahana :

Andriamanitra ô, tia Anao aho, ary ny hany faniriako dia ny ho tia Anao hatramin’ny fara senton’ny fiainako. Ry Andriamanitra mahatehotia indrindra ô, tia Anao aho, ary aleoko maty amin’ny fitiavana Anao, toy izay ny ho velona tsy tia Anao. Tompo ô, tianao aho, ka ny hany fahasoavana angatahiko Aminao, dia ny ho tia Anao mandrakizay. (...) Andriamanitra ô, raha tsy afa-milaza Aminao ny vavako, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, fa tiako Ianao, dia ny foko no mba iriko hamerimberina izany Aminao raha mbola miaina koa aho[7].

“Anio” 

2659.Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro, no anolorany amintsika ny Fanahiny mba hampiboiboika ny vavaka. Ny fampianaran’i Jesoa momba ny fivavahana amin’ny Raintsika dia iray laharana amin’ny fampianarany momba ny Fitahian’Andriamanitra[8] : eo am-pelantanan’ny Ray ny fotoana ; amin’izao fotoana izao no ihaonantsika aminy, tsy omaly na rahampitso, fa anio : “Afaka hihaino ny feony ve ianareo anio ; aza manamafy ny fonareo” (Sal 95,8). 

2660.Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana no hery mitarika ny fizotran’ny tantara, nefa zava-dehibe kokoa ny mamolavola ny koban’ny zavatra tsotra mpiseho andavanandro, amin’ny alalan’ny fivavahana. Ny endriky ny fivavahana rehetra dia mety ho io lalivay izay anoharan’ny Tompo ny Fanjakan’Andriamanitra io[9].

FAMINTINANA

2661.Amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery, dia ny Lovam-pampianarana izany, no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny Fiangonana.

2662.Ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzian’ny Fiangonana, ny hasin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, no loharanom-bavaka.

 

ANDALANA 2

Ny lalan’ny fivavahana

2663.Ao amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana, ny Fiangonana tsirairay dia samy manome hevitra ny mpinony, araka ny tontolom-piainana eo amin’ny tantara, fiaraha-monina ary kolontsaina, ny fombam-panehoana ny vavak’izy ireo : fiteny, feon-kira, fihetsika, sarimasina. Anjaran’ny Toniam-pampianarana[10] anefa ny mandanjalanja ny fahamarinan’ireo lalam-pivavahana ireo amin’ny lovam-pampianaram-pinoan’ny apôstôly, ary anjaran’ny mpiandry ondry sy ny katesety kosa ny manazava ny hevitr’izany, izay mifandray lalandava amin’i Jesoa-Kristy.

Ny fivavahana amin’ny Ray

2664.Tsy misy lalan-kafan’ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an’ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po, dia tsy ho tonga any amin’ny Ray raha tsy mivavaka “amin’ny Anaran’i” Jesoa isika. Ny maha-Olombelona masina an’i Jesoa àry no lalana izay ampianaran’ny Fanahy Masina antsika hivavaka amin’Andriamanitra Raintsika.

Ny fivavahana amin’i Jesoa

2665.Ny vavaky ny Fiangonana, velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazana amin’ny litorzia, no mampianatra antsika hivavaka amin’i Jesoa Tompo. Na dia avantana indrindra any amin’ny Ray azy izany, ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika rehetra, dia misy endri-pivavahana avantana any amin’i Kristy. Ny Salamo sasany, araka ny fampiharana azy amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny vavaky ny Fiangonana, sy ny Testamenta Vaovao, no mametraka eo amin’ny am-bavantsika sy misokitra ao am-pontsika ny fitalahoana amin’izany fivavahana amin’i Kristy izany hoe : Zanak’Andriamanitra, Tenin’Andriamanitra, Tompo, Mpamonjy, Zanak’ Ondrin’Andriamanitra, Mpanjaka, Zanaka malala, Zanaky ny Virjiny, Mpiandry ondry tsara, Fiainantsika, Fahazavantsika, Fanantenantsika, Fananganana antsika ho velona, Sakaizan’ny olombelona ...

2666.Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra[11], nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra ao Aminy ny maha-olombelona antsika, no anolorany izany amintsika ka ahafahantsika miantso azy hoe : “Jesoa”, “mamonjy IAVEH”[12]. Misy ny rehetra ny Anaran’i Jesoa : Andriamanitra sy ny olombelona ary ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena. Ny mivavaka amin’i “Jesoa”, dia ny mitalaho Aminy sy ny miantso Azy ao amintsika. Ny Anarany no hany tokana mirakitra ny Fisiana izay manambara ny Tenany. Nitsangan-ko velona i Jesoa, ka na iza na iza miantso ny Anarany, dia mandray ny Zanak’Andriamanitra izay tia Azy sy nanolo-tena ho Azy[13].

2667.Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia ny fiantsoana hoe : “Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo ô, mamindrà fo aminay mpanota !”. Izany fiantsoana izany dia mampiray ny tonon-kiram-piderana an’i Kristy ao amin’ny Filip 2,6-11 amin’ny antson’ilay poblikanina sy ireo mpangataka fahiratana[14]. Amin’ny alalan’izany fiantsoana izany ny fo no manaiky amin’ny fahorian’ny olombelona sy amin’ny Famindram-pon’ny Mpamonjy azy ireo.

2668.Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny Teny sy mamokatra amin’ny faharetana”[15]. Azo atao amin’ny “fotoana rehetra” ny fiantsoana, satria tsy raharaha ivelan’ny hafa izany fa raharaha tokana, dia ny mitia an’Andriamanitra, izay manome aina sy manova endrika ny asa rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. 

2669. Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa, tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny Fony izay nanaiky ho lefonina noho ny fahotantsika, noho ny fitiavana ny olombelona. Tia manaraka ny lalan’ny Hazofijaliana, amin’ny fanarahan-dia ny Mpamonjy, ny fivavahana kristianina. Ny fijanonana nanomboka teo amin’ny Fitsaràna ka hatrany Golgotà sy tao amin’ny Fasana dia nanjohy ny dian’i Jesoa izay nanavotra an’izao tontolo izao tamin’ny Hazofijaliany masina.

“Avia, ry Fanahy Masina” 

2670. “Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny lalan’ny fivavahana, amin’ny alalan’ny fahasoavany mitahy. Satria ny Fanahy Masina no mampianatra antsika hivavaka amin’ny fampahatsiarovany antsika an’i Kristy, ka ahoana moa no tsy hivavahana amin’ny Tenan’Izy Fanahy koa ? Izany no mahatonga ny Fiangonana handrisika antsika hitalaho isan’andro ny Fanahy Masina, indrindra amin’ny fanombohana sy amin’ny fiafaran’ny asa mavesa-danja rehetra.

Raha tsy tokony hotsaohina ny Fanahy ahoana moa no hanandratany ahy ho Andriamanitra amin’ny alalan’ny Batemy ? Ary raha tsy maintsy tsaohina Izy, tsy Izy ve no tokony ho fototry ny fanompoana manokana[16] ?

2671.Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo[17]. Nanantitrantitra ny momba izany fangatahana amin’ny Anarany izany i Jesoa tamin’ny fotoana izay nampanantenany indrindra koa ny fanomezana ny Fanahin’ny Fahamarinana[18]. Kanefa, araka ny lovantsofina koa ity vavaka tsotra indrindra sy mivantana indrindra ity : “Avia, ry Fanahy Masina”, ary ny lovam-panahy ara-litorzia tsirairay no namelabelatra izany tao amin’ny sasin-kira sy ny antsa :

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy ny fon’ny mpino Anao, ary areheto ao amin’izy ireo ny afom-pitiavanao[19].

Ry Mpanjakan’ny lanitra, ry Fanahy Mpanafaka alahelo, ry Fanahin’ny Fahamarinana, manerana hatraiza hatraiza sy mameno ny tontolo, fitoeran-drakitry ny soa rehetra sy loharanon’ny Fiainana, avia Ianao, ry ilay Tsara, monena ato aminay, diovy izahay ary vonjeo izahay[20] !

2672.Ny Fanahy Masina, izay fanosorana mamonto ny maha-olona antsika manontolo, no Mpampianatra ao anaty amin’ny fivavahana kristianina. Izy no tompon’antoky ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana. Marina fa samy maro ny fandrosoana amin’ny fivavahana sy ny mpivavaka, nefa Fanahy iray ihany no miasa ao amin’ny rehetra sy miaraka amin’ny rehetra. Ao anatin’ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina izany ny vavaka kristianina dia vavaka ao anatin’ny Fiangonana. 

Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra

2673.Amin’ny vavaka, ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’ny Tenan’ ny Zanaka Lahitokana, amin’ny maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy. Amin’ny alalan’io Tenany io sy ao Aminy ny fivavahana amin’ny maha-zanaka antsika no miombona ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny Renin’i Jesoa[21]

2674. Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety am-pivahiniana ka tandindomin-doza sy ianjadiam-pahoriana”[22]. I Jesoa, ilay Mpanalalana tokana, no lalan’ny fivavahantsika ; i Maria, Reniny sady Renintsika, dia mangarahara tanteraka ao amin’i Jesoa : izy no “manoro ny lalana” (Hodoghitria), izy no “Famantarana” amin’izany, araka ny haisarimasina avy amin’ny lovantsofina any Atsinanana sy any Andrefana.

2675.Miainga avy amin’izany fiaraha-miasa manokana eo amin’i Maria sy ny asan’ny Fanahy Masina izany no nampiroboroboan’ireo Fiangonana ny fangatahana atao amin’ny Reny masin’Andriamanitra, amin’ny fampifantohana izany amin’ny Tenan’i Kristy naseho miharihary tao amin’ny misteriny. Amin’ny antsa sy sasin-kira tsy tambo isaina izay maneho izany fangatahana izany, dia fihetsika anankiroa no mifandimby araka ny mahazatra : ny iray “mankalaza” ny Tompo noho ny “zava-dehibe” izay nataony ho an’ny mpanompovaviny tsinontsinona, ary amin’ny alalan’izy io, ho an’ny olombelona rehetra[23] ; ny iray hafa manankina amin’ny Renin’i Jesoa ny fitalahoana sy ny fideran’ireo zanak’ Andriamanitra, satria izy ankehitriny no mahalala ny olombelona izay ampakarin’ny Zanak’ Andriamanitra ho vady ao aminy.

2676.Ao amin’ny vavaka hoe “Arahaba, ry Maria”, no ahitana amin’io fihetsika anankiroa amin’ny fangatahana amin’i Maria io ny fomba fiteny maneho tombon-tsoa manokana : 

Arahaba  ry Maria (Mifalia ianao, ry Maria).” Ny fiarahaban’ny Anjely Gabriely no manokatra ny vavaka Arahaba. Ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany, amin’ny fanelanelanan’ny anjeliny, no miarahaba an’i Maria. Ny fivavahantsika dia sahy mamerina ny fiarahabana an’i Maria omban’ny fijery izay natopin’Andriamanitra tamin’ny mpanompovaviny tsinontsinona[24], sy mifaly amin’ny hafaliana izay hitan’Izy Andriamanitra tao amin’i Maria[25]

Feno hasoavana, ny Tompo ao aminao” : Mifanazava ny teny roa amin’ny fiarahaban’ny anjely. Feno hasoavana i Maria satria momba Azy ny Tompo. Ny fahasoavana izay mahenika azy, dia ny fisian’Ilay izay loharanon’ny fahasoavana rehetra. “Mifalia ianao (...) ry zanakavavin’i Jerosalema (...) eo afovoanao ny Tompo” (Sôf 3,14.17a). I Maria, izay ny Tenan’ny Tompo mihitsy no tonga monina ao aminy, no manjary vatan-tenan’ilay zanakavavin’i Siôna, ilay Sambofiaran’ny fanekem-pihavanana, ilay toerana izay onenan’ny voninahitry ny Tompo : izy no “fonenan’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona” (Apôk 21,3). Ny tenany,  “feno hasoavana”, no nomeny manontolo an’Ilay izay tonga mitoetra ao aminy, sy homeny an’izao tontolo izao. 

Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao.” Aorian’ny fiarahaban’ny anjely, raisintsika ho antsika koa ny fiarahaban’i Elizabeta. “Noho i Elizabeta feno ny Fanahy Masina” (Lk 1,41), dia izy no voalohany amin’ny taranaka rehetra mifandimby izay nanambara an’i Maria ho sambatra[26] : “Sambatra ilay nino ...” (Lk 1,45); “nosoavina noho ny vehivavy rehetra” i Maria satria nino ny fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo izy. I Abrahama, noho ny finoany, dia nanjary fanasoavana ny “firenena rehetra eto ambonin’ny tany” (Jen 12,3). I Maria, noho ny finoany, dia nanjary renin’ny mpino izay amin’izany ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany no mandray an’Ilay izay fanasoavana avy amin’Andriamanitra rahateo : “I Jesoa ilay masina, nateraky ny kibonao.” 

2677. “Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay ...” Miaraka amin’i Elizabeta isika no mitolagaga hoe :”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ?” (Lk 1,43). Sady Renin’Andriamanitra no renintsika i Maria, satria izy no manome antsika an’i Jesoa zanany ; afaka manankina aminy ny ahiahintsika sy ny fangatahantsika rehetra isika : mivavaka ho antsika izy toy ny nivavahany ho an’ny tenany : “Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,38). Rahefa matoky ny vavak’i Maria isika, dia manolo-tena miaraka aminy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra : “Ho tanteraka anie ny sitraponao.”

Mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay.” Ny fangatahana amin’i Maria mba hivavaka ho antsika dia fiekena ny maha-mpanota mahantra antsika ka manatona an’ilay “Renin’ny famindram-po”, ilay Masina Tanteraka. Izao “ankehitriny” izao isika no mitoky aminy, ny amin’ny anio ny fiainantsika. Ary miitatra io fitokiantsika io mba hanolorantsika aminy dieny ankehitriny “ny andro hahafatesantsika”. Mba ho eo anie izy amin’izay, tahaka ny tamin’ny nahafatesan’ny Zanany teo amin’ny Hazofijaliana, ka amin’ny ora hialantsika ety, dia handray antsika izy amin’ny maha-renintsika azy[27], ary hitantana antsika ho any amin’i Jesoa Zanany, any am-Paradisa.

2678.Ny fitiavam-bavaka tamin’ny taonjato antenatenany tany Andrefana dia nampandroso ny fivavahana Raozery, ho solon’ny Vavaka Isan’Andro, ho an’ny vahoaka. Tany Atsinanana, ny vavaka litania amin’ny “Acathiste” sy amin’ny “Paraclisis” no nijanona ho akaikikaiky kokoa ny fanompoam-pivavahana an-kira redom-be tao amin’ny Fiangonana bizantinina, fa ny lovantsofina armenianina, kôpta ary siriàka kosa dia nitia kokoa ny antsa sy ny hiram-pivavahana fanaon’ny vahoaka amin’ny Renin’Andriamanitra. Kanefa na ao amin’ny Arahaba ry Maria, na amin’ireo “théotokia”, na amin’ireo antsan’i Md Ephrem na i Md Grégoire de Narek, dia iray fototra ihany eto, ny lovam-panahy momba ny fivavahana. 

2679.I Maria no Mpivavaka lavorary, endriky ny Fiangonana. Rahefa mangataka aminy isika, dia mifikitra mafy miaraka aminy amin’ny fandaharan’ny Ray, izay naniraka ny Zanany mba hamonjy ny olombelona rehetra. Toy ilay mpianatra malala no andraisantsika ao amintsika[28] ny Renin’i Jesoa, izay nanjary renin’ny velona rehetra. Afaka mivavaka miaraka aminy sy mangataka aminy isika. Ny vavak’i Maria izany no toy ny mitondra ny vavaky ny Fiangonana. Miray amin’i Maria ao amin’ny fanantenana, izany vavaky ny Fiangonana izany[29].

 

FAMINTINANA

2680.Amin’ny Ray indrindra no avantana ny fivavahana ; tahaka izany koa, mivantana amin’i Jesoa ny fivavahana, indrindra amin’ny fiantsoana ny Anarany masina hoe : Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo aminay, mpanota !”.

2681.“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina (1 Kôr 12,3). Manainga antsika ny Fiangonana hiantso ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpampianatra anaty Azy ny fivavahana kristianina.

2682.Noho ny fiarahany miasa manokana amin’ny asan’ny Fanahy Masina, dia tian’ny Fiangonana ny miombom-bavaka amin’i Maria Virjiny, mba hankalaza miaraka aminy ny zava-dehibe notanterahin’Andriamanitra tao aminy, sy mba hanankina aminy ny fitalahoana sy ny fiderana.

 

 

ANDALANA 3

Ireo Mpitarika amin’ny fivavahana

Ny vavolombelona zavon-tany

2683. Ireo vavolombelona izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra[30], indrindra ireo izay ankatoavin’ny Fiangonana ho “olomasina”, dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampitana ny asa soratr’izy ireo ary amin’ny alalan’ny fivavahan’izy ireo ankehitriny. Mibanjina an’Andriamanitra izy ireo, midera Azy ary tsy mitsahatra mitahy an’ireo izay nilaozan’izy ireo tety an-tany. Tamin’ny nidirany “tao anatin’ny hafalian’ ”ny Tompon’izy ireo, dia “natsangana ho mpanapaka ny be”[31] izy ireo. Ny fanelanelanan’izy ireo no fanompoana ambony indrindra ataon’izy ireo amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mangataka amin’izy ireo hivavaka ho antsika sy ho an’izao tontolo izao. 

2684.Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina no itomboan’ireo Fiangonana amin’ ny fiainam-panahy samihafa, eny am-pamakivakiana ny tantara eny. Ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay ho vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olombelona dia azo ampitaina, toy ny “fanahin’ ” i Elia tamin’i Elisea[32] sy tamin’i Joany Batista[33], mba hahazoan’ny mpianatra anjara amin’izany fanahy izany[34]. Ny fiainam-panahy iray dia fihaonana koa amin’ny fomba mahazatra sasany, ara-litorzia sy ara-teôlôjia, sy mampiseho ny fampidirana ny kolontsaina ao amin’ny finoana, eo amin’ny tontolo iainan’olombelona sy ny tantarany. Ireo fiainam-panahy kristianina kosa dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, ary mpitari-dalana ilaina ho an’ny mpino. Ireo no mamerina tara-pahazavana madio mangarangarana sy tokana avy amin’ny Fanahy Masina, ao anatin’ny fahasamy hafa ny harem-pahasoavan’izy ireo.
”Ny Fanahy no tena toeran’ny olomasina tokoa,  ary ny olomasina ho an’ny Fanahy no toerana madio, satria manolo-tena izy hiara-monina amin’Andriamanitra ary antsoina hoe Tempoliny”[35].

Ny mpanompon’ny fivavahana

2685.  Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana. Noho ny fianakaviana kristianina miorina amin’ny sakramentan’ ny Fanambadiana, dia manjary “Fiangonana ao an-tokantrano” izy, ka ao ny zanak’Andriamanitra no mianatra mivavaka “ao amin’ny Fiangonana” sy mitozo amin’ny fivavahana. Ho an’ny ankizy madinika manokana, ny vavaky ny mpianakavy isan’andro no vavolombelona voalohany amin’ny fahatsiarovana maharitra ny Fiangonana, izay ny Fanahy Masina no mamohafoha izany amim-paharetana.

2686. Ireo mpandraharaha voahosotra koa dia tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny rahalahin’izy ireo sy ny anabaviny ao amin’i Kristy, amin’ny fivavahana. Amin’ny maha-mpanompon’ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika ny vahoakan’Andriamanitra ho an’ny amin’ny loharano velon’ny fivavahana: ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzia, ny fiainana araka an’Andriamanitra, ny Ankehitrinin’Andriamanitra eo amin’ny toe-javatra mifanaraka amin’ny zava-misy[36].

2687. Betsaka amin’ireo relijiozy no manokana ny fiainan’izy ireo manontolo ho amin’ny fivavahana. Nanomboka tany an’efitr’i Ejipta, mpitoka-monina irery maro tany an’efitra sy relijiozy mpitoka-monina lehilahy sy vehivavy maro no nanolotra ny andron’izy ireo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra sy tamin’ny fitalahoana ho an’ny vahoakany. Ny fanokanam-piainana dia tsy haharitra sy tsy hiely, raha tsy misy fivavahana ; io fanokanam-piainana io no anankiray amin’ireo loharano velona amin’ny fibanjinana an’ Andriamanitra sy ny fiainana ara-panahy ao amin’ny Fiangonana.

2688.  Ny katesezy ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, dia mikendry mba ny Tenin’Andriamanitra no hodinihana amin’ny vavaka atao irery, hampiharina amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny fivavahana litorzika, ary hotanana ao anaty mandrakariva, mba hiterahany voka-tsoa ao anatin’ny fiainam-baovao. Ny katesezy koa dia fotoana izay tokony handanjalanjana sy hanabeazana ny fitiavam-bavaky ny vahoaka[37]. Ny fanaovana tsianjery ny fivavahana fototra no manome tohana ilaina amin’ny fiainam-bavaka, kanefa zava-dehibe ny mampahazo tsirony amin’ny fahalalana izany[38].

2689. Ny vondrona mpivavaka, mainka moa ny “sekolim-pivavahana”, ankehitriny no iray amin’ireo famantarana sy iray amin’ireo fanoitra amin’ ny fanavaozana ny fivavahana ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka misotro ao amin’ny tena loharanon’ny fivavahana kristianina. Ny fiahiana ny fiombonana no famantarana ny fivavahana tena izy ao amin’ny Fiangonana.

2690.  Omen’ny Fanahy Masina ny mpino sasany ny fanomezana ny fahendrena, ny finoana ary ny fandanjalanjana, ho amin’ity soa iombonana ity, dia ny fivavahana izany (fitantanam-panahy). Ireo izay nomena izany na lehilahy na vehivavy, dia tena mpanompo tokoa ny Lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana :

Noho izany, ny olona izay te-handroso ho amin’ny fahalavorariana, araka ny torohevitry Md Jean de la Croix,  dia tsy maintsy “mamakafaka tsara hoe eo am-pelatanan’iza no anankinany ny tenany, satria hanahaka an’izay ho mpampianatra azy ny mpianatra ; hanahaka an’izay ho rainy ny zanaka”. Ary koa : “Tsy hoe tsy maintsy ho olona mahay sy malina fotsiny ny mpitantana, fa koa tsy maintsy ho za-draharaha (...). Raha tsy manana fahalalana amam-pahazarana amin’ny fiainam-panahy ny mpitantana ara-panahy, dia tsy afaka hitantana ho amin’izany an’ireo olona izay iantsoan’Andriamanitra azy, ary tsy hahatakatra an-tsaina an’izany aza izy ireo”[39].

Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana

2691. Ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina. Ny fifidianana toerana mety sy tsara dia tsy azo atao tsinontsinona amin’ny fahitsian’ny fivavahana :

- ho an’ny fivavahana irery, dia azo anaovana izany ny “efi-trano kely mangina”, miaraka amin’ny Soratra Masina sy ny sarimasina, mba ho  “ao, amin’ny mangingina” eo anoloan’ny Raintsika izany[40]. Ao an-tokantrano kristianina, io karazana efi-trano kely fivavahana io dia tsara anaovana vavaka iombonana ;
- eo amin’ny faritany misy tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny fiantsoana ho amin’ireny fikambanana ireny dia ny mampandroso ny fifampizaràna amin’ny vavaka isan’Andro miaraka amin’ny mpino, ary ny mamela hitokana mangina ilaina amin’ny fivavahana irery mafimafy kokoa[41].
- ireo fivahiniana masina no mamohafoha ao an-tsaina ny diantsika ety an-tany ho any an-danitra. Izy ireny araka ny lovam-panahy no fotoan-dehibe fihavaozana amin’ny vavaka. Ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ho an’ny mpanao fivahiniana masina eo am-pitadiavana loharano velona ho azy ireo, no toerana manokana mba hiainana “ao amin’ny Fiangonana” an’ireo fomba amin’ny fivavahana kristianina.

 

FAMINTINANA

2692. Amin’ny fivavahany, ny Fiangonana mivahiny eto an-tany dia mikambana amin’ny Fiangonan’ireo olomasina izay italahoany fanelanelanana.

2693.Ireo toe-panahy samihafa manentana ny kristianina dia mandray anjara amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana sy mpitarika tsara tokoa ho amin’ny fiainam-panahy.

2694.Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana.

2695.Ireo mpandraharaha voahosotra, ny fanokanam-piainana ho an’ Andriamanitra, ny katesezy, ireo vondrona mpivavaka, ny fitantanam-panahy, no miantoka ao amin’ny Fiangonana ny fanampiana ho amin’ny fivavahana.

2696.Ny toerana mety sy tsara indrindra amin’ny fivavahana, dia ny efi-trano kely fivavahana natokana ho an’olona tsirairay na ho an’ny fianakaviana, ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ary indrindra ny trano fiangonana, izay toerana manokana amin’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy, sy toerana nomena tombon-tsoa manokana amin’ny fitsaohana ny Sakramenta masina.


 
[1]. FA 8.
[2]. FA 8.
[3]. jer. Jo 4,14.
[4]. Md Ambroise, off 1,88 izay hita koa ao amin’ny FA 25.
[5]. jer. Guigne le Chartreux, scala 2,2.
[6]. jer. IGLH, 9.
[7]. Md Jean-Marie Baptiste Vianney, vavaka.
[8]. jer. Mt 6,11.34.
[9]. jer. Lk 13,20-21.
[10]. jer. FA 10.
[11]. jer. Eks 3,14 ; 33,19-23.
[12]. jer. Mt 1,21.
[13]. jer. Rôm 10,13 ; Asa 2,21 ; 3,15-16 ; Gal 2,20.
[14]. jer. Lk 18,13 ; Mk 10,46-52.
[15]. jer. Lk 8,15.
[16]. Md Grégoire de Naz., or. 30 (theol. 5),28.
[17]. jer. Lk 11,13.
[18]. jer. Jo 14,17 ; 15,26 ; 16,13.
[19]. jer. "la Séquence de Pentecôte".
[20]. Litorzia Bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny  vavaka harivan’ny Pantekôty.
[21]. jer. Asa 1,14.
[22]. FF 62.
[23]. jer. Lk 1,46-55.
[24]. jer. Lk 1,48.
[25]. jer. Sôf 3,17.
[26]. jer. Lk 1,48.
[27]. jer. Jo 19,27.
[28]. jer. Jo 19,27.
[29]. jer. FF 68-69.
[30]. jer. Heb 12,1.
[31]. jer. Mt 25,21.
[32]. jer. 2 Mpanj 2,9.
[33]. jer. Lk 1,17.
[34]. jer. FFR 2.
[35]. Md Basile, Spir. 26,62.
[36]. jer. RFP 4-6.
[37]. jer. CT 54.
[38]. jer. CT 55.
[39]. Llama strophe 3
[40]. jer.  Mt 6,6.
[41]. jer. FFR 7.
 

 

top