SAMPANA VOALOHANY
26. Rahefa manambara ny finoantsika isika, dia izao no teny anombohantsika izany : “Izaho mino” na “Inoanay”. Alohan’ny hamelabelarana ny finoan’ny Fiangonana araka izay ambara ao amin’ny Izaho mino, ankalazaina ao amin’ny litorzia, iainana amin’ny fanatanterahana ny Didy sy amin’ny fivavahana, aoka aloha isika hanontany tena ny amin’izay dikan’ny hoe “mino”. Ny finoana dia valy ataon’ny olombelona amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany sy manolotra ny Tenany aminy, sady mitondra koa fahazavana mihoa-pampana amin’ny olombelona mikatsaka ny dikan’ny fiafaran’ny fiainany. Noho izany, dinihintsika aloha io fikatsahan’ny olombelona io (toko voalohany), avy eo ny Fanambaràn’Andriamanitra, izay amin’izany Izy no manoloana ny olombelona (toko faharoa), ary farany ny valim-pinoana (toko fahatelo).
TOKO VOALOHANY “Afaka mahatakatra an-tsaina” an’Andriamanitra ny olombelona
I. Ny faniriana an’Andriamanitra 27. Voasokitra ao am-pon’ny olombelona ny faniriana an’Andriamanitra, satria noarìn’Andriamanitra sy nataony ho Azy ny olombelona ; tsy mitsahatra manintona ny olombelona mankany Aminy Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy ao amin’Andriamanitra no hahitan’ny olombelona ny fahamarinana sy ny fahasambarana izay katsahiny tsy an-kijanona :28. Amin’ny fomba maro samihafa, eo amin’ny tantaran’izy ireo, ary mandraka ankehitriny, no ampisehoan’ny olombelona ny fikatsahany an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo sy ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo ara-pivavahana (vavaka, sorona, fanompoana amam-panajana an’ Andriamanitra, fandinihana masina, sns). Na dia mety hisy zavozavon-kevitra aza ireny fomba fanehoana ireny, noho ny fisiany manerana ny tany tontolo, dia azo antsoina hoe zavamananaina mpivavaka ny olombelona : 29. Kanefa, mety ho hadino, mety tsy ho fantatra ary mety holavin’ny olona an-kitsirano aza, izany “fifandraisana lalina ao anaty sy mahavelona izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra izany”[2]. Mety hanana antony maro samihafa ny fihetsika aseho toy ireto[3] : ny fikomiana noho ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ny tsy fahalalana na ny tsy firaharahana fivavahana, ny fiahiana izao fiainana izao sy ny harena[4], ny oha-dratsy asehon’ny mpino, ny fielezan’ny toe-tsaina manohitra fivavahana, ary farany ity fihetsiky asehon’ny olombelona mpanota, noho ny tahotra, izay miafina eo imason’Andriamanitra[5] sy mandositra eo anoloan’ny antsony[6]. 30. “Hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’Andriamanitra” (Sal 105,3). Raha mety manadino na mandà an’Andriamanitra aza ny olombelona, Izy Andriamanitra kosa tsy mitsahatra miantso ny olombelona rehetra hitady Azy, mba ho velona izy ary hahita ny hasambarana. Kanefa izany fikatsahana izany dia mitaky amin’ny olombelona ny ezaka rehetra takatry ny sainy, ny fahitsian’ny sitrapony, “fo mahitsy”, ary koa ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona izay mampianatra azy hitady an’Andriamanitra.
II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra 31. Noho izy natao mitovy endrika amin’Andriamanitra, nantsoina hahalala sy ho tia an’Andriamanitra, ny olombelona izay mitady an’Andriamanitra dia mahita “lalana” sasantsasany mba hahafahana mankamin’ny fahalalana an’ Andriamanitra. “Porofon’ny fisian’Andriamanitra” no iantsoana izany koa, tsy dia amin’ny lafiny porofo izay karohin’ny siansa momba ny zavaboary tsy akory, fa amin’ny lafiny “porofo mifanojo sy mampiaiky”, izay ahazoana manatratra ny tena fitokiana marina tokoa. 32. Izao tontolo izao : miainga avy amin’ny fihetsehana sy ny fanjariana, ny kisendrasendra, ny filaminana sy ny hatsaran’izao tontolo izao, no ahafahana mahalala an’Andriamanitra ho fiandohana sy fiafaran’izao tontolon’ny zava-drehetra izao. 33. Ny olombelona : amin’ny fanehoany ny marina sy ny kanto, amin’ny fahalalany ny tsara ara-môraly, amin’ny fahafahany sy ny feon’ny kônsiansiny, amin’ny faniriany ho amin’ny tsy manam-petra sy ho amin’ny fahasambarana, dia manontany tena ny olombelona ny amin’ny fisian’ Andriamanitra. Tsapany avy amin’izany rehetra izany ny famantarana ny fanahy maha-olona ao aminy. “Tsirin’ny mandrakizay no entiny ao amin’ny tenany ao, izay tsy mety ho vaingan-javatra tokana hita vatana”[10], dia ny fanahiny tsy manam-piandohana afa-tsy ao amin’Andriamanitra irery ihany. 34. Manamarina izao tontolo izao sy ny olombelona fa tsy ananan’izy ireo ao amin’izy ireo ihany na ny foto-piandohany voalohany na ny tanjom-piafaràny farany, nefa izy ireo mandray anjara amin’ilay Misy ao amin’ny tenany ao, Ilay sady tsy manam-piandohana no tsy manam-piafaràna. Araka izany, amin’ny alalan’ireo “lalana” samihafa ireo ny olombelona no afaka mankamin’ny fahalalana ny fisian’ny fisian-javatra iray izay antom-pisiana sy tanjom-piafaràn’ny zava-drehetra, “ary antsoin’izy rehetra hoe Andriamanitra”[11]. 35. Ny fahaizana amam-pahazoana mahataka-javatra ananan’ny olombelona no mahatonga azy ho afa-mahalala ny fisian’Andriamanitra manokana. Fa mba hahafahan’ny olombelona miditra amin’ny fiainany lalina ao anaty, dia sitrak’Andriamanitra ny manambara ny Tenany aminy, sy ny manome azy ny fahasoavana hahafahana mandray izany fanambaràna izany amim-pinoana. Na izany aza, ny porofon’ny fisian’Andriamanitra dia mety hitondra ho amin’ny finoana sy manampy hahafantatra fa ny finoana dia tsy mifanohitra amin’ny sain’olombelona.III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana 36. “Mihevitra sy mampianatra ny Fiangonana Masina, renintsika, fa Andriamanitra, foto-piandohana sy fiafaran’ny zavatra rehetra, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona, miainga avy amin’ny zavaboary”[12]. Raha tsy misy izany herim-pahalalan’ny saina izany, tsy ho afa-mandray ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona. Manana izany herim-pahalalana izany ny olombelona satria noarìna “mitovy endrika amin’Andriamanitra” izy (Jen 1,27).37. Amin’ny toe-javatra iainan’ny olombelona eo amin’ny tantara anefa, dia misedra fahasahiranana be izy vao mahalala an’Andriamanitra raha toa ka araka ny fahaizan’ny sainy fotsiny : 38. Noho izany, mila hazavain’ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona, tsy amin’izay mihoatra ny fahazoan’ny sainy ihany anefa, fa “amin’ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly ihany koa, izay tsy saro-takarin’ ny saina, ao aminy, mba hahafahan’izy ireo mahafantatra izany mora foana, amim-pahamarinana tsy voahozongozona sy tsy misy fifangaroan-kadisoana, amin’ny toe-javatra misy ankehitriny iainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[14]. IV. Fomba ahoana no hitenenana momba an’Andriamanitra? 39. Amin’ny fiarovana ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona mahalala an’ Andriamanitra, dia maneho ny fahatokiany ny Fiangonana, ny amin’ny fahazoa-miteny momba an’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra sy miaraka amin’ny olombelona rehetra. Izany fiekena izany no fototra iaingan’ ny fifanakalozany hevitra amin’ny antokom-pinoana hafa, amin’ny filôzôfia sy ny siansa, ary koa amin’ny tsy mpino mbamin’ny mpandà ny fisian’ Andriamanitra.40. Satria voafetra ny fahalalantsika an’Andriamanitra, dia voafetra toraka izany koa ny fitenenantsika momba an’Andriamanitra. Tsy afa-manome anarana an’Andriamanitra isika raha tsy miainga avy amin’ny zavaboary, sy araka ny fombantsika olombelona manam-petra amin’ny fahalalana sy fandinihana. 41. Misy fifanahafana amin’Andriamanitra ny zavaboary rehetra, indrindra ny olombelona izay noarìny mitovy endrika sy mifanahaka Aminy. Noho izany, ireo fahalavorariana amin’ny zavaboary (fahamarinany, hatsarany, hakantony) no mandefa ny taratry ny fahalavorariana tsy misy fetran’ Andriamanitra. Koa, afaka manome anarana an’Andriamanitra isika miainga avy amin’ny fahalavorarian’ny zavaboariny, “satria ny fahamboniana sy ny hatsaran’ny zavaboary, dia mampahafantatra Ilay Mpamorona azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta” (Fah 13,5). 42. Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary rehetra ny fahambonian’ Andriamanitra. Koa tsy maintsy diovina tsy an-kijanona ny fitenintsika izay avy amin’ny manam-petra, avy amin’ny kisarisary, avy amin’ny tsy tena lavorary, mba tsy hampifangaroana an’Andriamanitra “tsy hay ambara, tsy takatry ny saina, tsy hitan’ny maso, tsy tsapan’ny tanana”[15] amin’ny fomba fanehoantsika olombelona Azy. Tsy hahatakatra na oviana na oviana ny misterin’Andriamanitra ny fitenintsika olombelona.43. Amin’ny fitenenana momba an’Andriamanitra koa, dia ekena fa maneho amin’ny maha-olombelona antsika ny fitenintsika, nefa mahatratra marina Azy Andriamanitra ihany, na dia tsy afaka hilaza Azy amin’ny fahatsorany tsy manam-petra aza. Noho izany, tsy maintsy tsaroana fa “tsy afaka hanoritra ny tena fitoviana eo amin’ny Mpahary sy ny zavaboary ny olona, raha tsy misongadina bebe koa ny tsy fitoviana misy eo amin’izy roa tonta”[16] sady “tsy ny toetra maha-izy an’Andriamanitra no azontsika takarina ao an-tsaina, fa ny toetra tsy maha-izy Azy ihany, ary manao ahoana ny toeran’ny zavaboary hafa rehetra raha mitaha Aminy !”[17].
FAMINTINANA 44. Zavamananaina natao ho mpivavaka ny olombelona, noho ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olombelona sy noho ny fiantsoan’ Andriamanitra azy. Avy amin’Andriamanitra ny olombelona ary ho any amin’Andriamanitra, ka tsy afaka mivelona tanteraka ny maha-olona azy izy raha tsy miaina an-kalalahana ao anatin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra. 45. Natao mba hiaina ao anatin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ny olombelona, ka ao Aminy izy no mahita ny hasambarany : “Rahefa ao Aminao ny tenako manontolo, tsy hisy intsony ny alahelo sy ny fitsapan-toetra ; rahefa henika Anao ny tenako manontolo, ho lavorary ny fiainako”[18] 46. Rahefa mihaino ny hafatry ny zavaboary sy ny kônsiansiny ny olona, dia afaka mahatakatra ny fahamarinan’ny fisian’Andriamanitra, fototra sy fiafaran’ny zavatra rehetra. 47. Mampianatra ny Fiangonana fa Ilay Andriamanitra tokana sy marina, Mpahary antsika sy Tompontsika, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny asany, noho ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona[19]. 48. Tena afaka miteny anarana marina momba an’Andriamanitra isika, miainga avy amin’ny fahalavorariana maro tsy tambo isaina amin’ny zavaboary, izay misy fifanahafana amin’Andriamanitra lavorary tsy misy fetra, na dia tsy hahalaza manontolo ny mistery aza ny fitenintsika voafetra. 49. “Levona ny zavaboary raha ilaozan’ny Mpahary”[20]. Izany no ahalalan’ny mpino teren’ny fitiavan’i Kristy hitondra ny fahazavan’Andriamanitra velona amin’ireo izay tsy mahalala Azy na mandà Azy.
Ny fihaonan’Andriamanitra amin’ny olombelona 50. Ny olombelona, amin’ny alalan’ny saina voa-Janahary, dia afaka mahalala marina an’Andriamanitra, miainga avy amin’ireo tsanganasany. Kanefa misy fahalalana hafa izay tsy mety ho takatry ny olombelona mihitsy amin’ny herin’ny tenany ihany, dia ny Fanambaràn’Andriamanitra[21]. Avy amin’ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra an-kalalahana tanteraka no anambaràny sy anolorany ny Tenany amin’ny olombelona. Manao izany Izy amin’ny fanambaràny ny misteriny, ny fandaharany feno fitiavana izay novolavolainy hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy ho fanasoavana ny olombelona rehetra. Manambara manontolo ny fandaharany Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany malalany, dia i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy ny Fanahy Masina.
ANDALANA 1
I. Andriamanitra manambara ny “fandaharany feno fitiavana” 51. “Sitrak’Andriamanitra noho ny fahendreny sy ny hatsaram-pony, ny manambara ny Tenany sy ny mampahalala ny misterin’ny sitrapony, ka ahafahan’ny olombelona, amin’ny alalan’i Kristy Teny tonga Nofo, manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina, sy ahatongavany ho mpiombona anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra”[22].52. Tian’Andriamanitra izay “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” (1 Tim 6,16), ny mampifandray ny fiainana maha-Andriamanitra Azy amin’ ny olombelona noarìny an-kalalahana, mba hahatonga azy ireo ho zanaka natsangana[23], ao amin’ny Zanany Lahitokana. Sitrak’Andriamanitra amin’ny fanambaràny ny Tenany ihany, ny hahatonga ny olombelona rehetra ho afaka manoina Azy, mahalala Azy ary tia Azy mihoatra noho izay rehetra mety ho vitan’izy ireo amin’ny herin’ny tenan’izy ireo ihany. 53. Ny fandaharan’Andriamanitra momba ny Fanambaràna dia indray tanteraka “tamin’ny asa sy tamin’ny teny, mifamatotra anaty amin’izy samy izy”[24] sy mifanazava amin’izy samy izy. Misy “fanabeazan’Andriamanitra” manokana io fandaharany io : Nampahalalainy tsikelikely tamin’ny olombelona izany ; misy dingana ny nanomanany ny olombelona handray ny Fanambaràna mihoatra ny natoraly izay nataon’ny Tenany ihany ary tonga tamin’ny fara tampony tao amin’ny Tenan’ilay Teny tonga nofo, dia i Jesoa-Kristy, sy ny fanirahany Azy.Miteny imbetsaka i Md Irénée de Lyon, ny momba io fanabeazan’ Andriamanitra io amin’ny endrika fifankazarana eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona : “Nonina tao amin’ny olombelona ny Tenin’Andriamanitra ary tonga Zanak’olombelona mba hanazatra ny olombelona hahazo an-tsaina an’Andriamanitra sy hanazatra an’Andriamanitra honina ao amin’ny olombelona, araka ny nahim-pon’ny Ray”[25]. Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra 54. “Andriamanitra izay nahary sy mitahiry ny zava-drehetra amin’ny Teniny, dia manolotra amin’ny olombelona ny fanehoana sesilany ny Tenany, ao amin’ny zavaboary ; noho izy te-hanokatra bebe kokoa ny lalam-pamonjena ambony dia ambony, dia naneho ny Tenany koa Izy, hatrany am-piandohana, tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika”[26]. Nasainy izy ireo ho amin’ny fiombom-po lalina amin’ny Tenany, tamin’ny nanomezany azy ireo ny fahasoavana amam-pahamarinana mamirapiratra.55. Tsy afaka nampitsahatra izany Fanambaràna izany ny fahotana nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Koa, “taorian’ny fahalavoan’izy ireo, dia nampanantena fanavotana azy ireo Andriamanitra, nanome herim-po mba hananan’izy ireo fanantenam-pamonjena ; nasehony tsy tapaka ny fiahiany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, mba hanomezana ny fiainana mandrakizay an’ireo rehetra mikatsaka ny famonjena amin’ny faharetana manao ny tsara”[27]. Nony very fihavanana taminao ny olombelona, tamin’ny fivadihany Taminao, dia tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy. (…) Imbetsaka no nanolotra fanekem-pihavanana tamin’izy ireo Ianao”[28].Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe 56. Vantany vao nosarahin’ny fahotana ny firaisan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia ny hamonjy ny olombelona miainga avy amin’ireo antokony tsirairay voasaratsaraka ireo no voalohany indrindra nokendren’ Andriamanitra. Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe taorian’ny safo-drano[29] no maneho ny fototry ny Fitantanam-pamonjen’Andriamanitra ny “firenena” rehetra, izany hoe amin’ny olombelona voangona “ao amin’ny fireneny, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fokom-pireneny avy” (Jen 10,5)[30].57. Izany fandaminana izany, izay sady mahakasika an’izao tontolo izao voarindra no mahakasika ny fiaraha-monina sy ny fivavahan’ny ankamaroan’ ny firenena[31], dia natao hametra ny avonavon’ny olombelona lavo, izay miombon-kevitra ao anatin’ny faharatsiany[32], ka mitady ny firaisany noho ny herin’ny tenany ihany araka ny fomban’i Babela[33]. Noho ny fahotana[34] anefa, ny fanompoana andriamanitra maro, ary koa ny fanompoan-tsampin’ny vahoaka sy ny filohany, dia mandrahona tsy an-kijanona an’io fitantanam-pamonjena vonjimaika io, amin’ny haratsiam-panahin’ny jentily. 58. Manan-kery ny fanekem-pihavanana natao tamin’i Nôe, raha mbola mandia ny fotoanan’ny jentily[35], ambara-pahatongan’ny fitoriana ny Evanjely manerana an’izao tontolo izao. Hajain’ny Baiboly ny sasany amin’ireo olomanga teo amin’ny “firenena”, tahaka an’i “Abela ilay marina”, i Melkisedeka[36] mpanjaka sady mpisorona izay tandindon’i Kristy[37] na ireo olo-marina tahaka an-dry “Nôe, Daniela ary Jôba” (Ezek 14,14). Araka izany, asehon’ny Soratra Masina ny fahambonian’ny fahamarinana mety ho tratran’ izay miaina araka ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe, eo am-piandrasana an’i Kristy “hanangona ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra rehetra efa niparitaka” (Jo 11,52).Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra 59. Mba hanangonana ny olombelona rehetra niparitaka, dia nifidy an’i Abrama Andriamanitra ary niantso azy “handao ny tanindrazany, ny havany ary ny tranony” (Jen 12,1) mba hahatonga azy ho Abrahama, izany hoe “rain’ny firenena tsy hita isa” (Jen 17,5) : “Aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Jen 12,3 - dikan-tenin’ny Fitopololahy - LXX)[38].60. Ny vahoaka taranak’i Abrahama no mpandova ny fampanantenana natao tamin’ireo patriarka ; izy ireo no ilay vahoaka voafidy[39], nantsoina hanomana ny famondronana ny zanak’Andriamanitra rehetra ho iray ao anatin’ny Fiangonana, indray andro any[40] ; izy no ho fototra anaovana grefy ny tsy mpino ho tonga mpino[41]. 61. Ny patriarka sy ny mpaminany ary ireo olona sasany ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nohajaina ary hohajaina lalandava toy ny olomasina ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika manontolo an’ny Fiangonana. Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra 62. Taorian’ireo patriarka, namorona an’i Israely ho vahoakany Andriamanitra, tamin’ny namonjeny azy ho afaka tamin’ny fanandevozana tao Ejipta. Nanao fanekem-pihavanana taminy teo Sinaia Izy ary nanome azy ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy, mba hahalalany Azy sy hanompoany Azy ho hany Andriamanitra velona sy marina, Ray mpiahy sy mpitsara marina, ary mba hiandrasany an’ilay Mpamonjy nampanantenaina[42].63. I Israely no vahoaka mpisoron’Andriamanitra[43], ilay “mitondra ny anaran’ny Tompo” (Det 28,10). Izy no vahoaka amin’ireo “izay voalohany nitenenan’ Andriamanitra”[44], ilay “zoky lahimatoa” amin’ny finoan’i Abrahama[45]. 64. Tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra no nanabe ny vahoakany tao anatin’ny fanantenam-pamonjena, teo am-piandrasana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay natokana ho an’ny olombelona rehetra[46], ary hosoratana ao am-po[47]. Nolazain’ny mpaminany ny fanavotana tanteraka ny Vahoakan’Andriamanitra, ny fanadiovana ny fivadibadihany rehetra[48], fanavotana izay hatao ho an’ny firenen-drehetra[49]. Ny mahantra sy ny olon-tsotran’ny Tompo[50] indrindra no hitondra izany fanantenana izany. Ireo vehivavy masina toa an’i Sarà, Rebekà, Rasely, Miriama, Debôrà, Ana, Jodita ary Estera no nitahiry tsy ho faty ny fanantenam-pamonjena an’i Israely. I Maria no endrika tsy misy pentina indrindra amin’izany[51].III. I Kristy Jesoa - “Mpanelanelana sy Hafenoan’ny Fanambaràna manontolo”[52] Voalazan’Andriamanitra avokoa ao amin’ny Teniny ny zavatra rehetra. 65. “Fahiny, tamin’ny fotoana sy fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany Andriamanitra ; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika” (Heb 1,1-2). I Kristy, Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, no Ilay Teny tokan’ny Ray, lavorary sy tsy misy mahasongona. Ao Aminy no ilazan’ny Ray ny zavatra rehetra, ary tsy hisy teny hafa afa-tsy ireo. I Md Jean de la Croix, taorian’ ireo hafa maro be, dia nilaza izany tamin’ny fomba mazava raha namelabelatra an’io taratasy ho an’ny Hebrio 1,1-2 io :Hatramin’ny nanomezan’Andriamanitra antsika ny Zanany, izay Teniny, dia tsy manana teny hafa homena antsika Andriamanitra. Indray mandeha ihany no nilazany izany manontolo tamintsika ny amin’io Teniny tokana io ary tsy misy na inona na inona intsony holazainy ; satria izay nolazainy ampahany tamin’ireo mpaminany, dia nambarany manontolo tamin’ny Zanany, amin’ny nanomezany antsika ny maha-izy manontolo ny Zanany. Noho izany, izay te hanontany Azy amin’izao fotoana izao, na maniry fahitana na fanambaràna, dia tsy vitan’ny hoe manao hadalàna fotsiny, fa maniratsira an’Andriamanitra, satria tsy mampifantoka ny masony ao amin’i Kristy irery fa mitady zavatra hafa na zava-baovao [53]. Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa 66. “Ny Fitantanam-pamonjena kristianina, amin’ny maha-Fanekem-pihavanana Vaovao sady mandrakizay izany, dia tsy ho levona na oviana na oviana, koa tsy hisy na iray aza fanambaràna vaovao ampahibemaso, andrasana alohan’ ny fisehoan’i Jesoa-Kristy Tompontsika amim-boninahitra”[54]. Kanefa, na tomombana aza ny Fanambaràna, dia tsy mbola miharihary tanteraka izany ; anjaran’ny finoana kristianina ny mandray tsikelikely amin’izany ny vokatra rehetra mandritra ny taonjato mifandimby.67. Nanaraka ny fifandimbiasan’ny taonjato maro, dia nisy ny fanambaràna antsoina hoe “manokana”, izay ny sasantsasany tamin’ireny no nankatoavina ho marina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fiangonana. Tsy anisan’ny raki-pinoana anefa izy ireny. Tsy ny “hanatsara” na “hameno” ny Fanambaràna raikitra notanterahin’i Kristy tsy akory no anjara asany, fa ny hanampy hiaina izany bebe kokoa tamin’ny fotoana sasantsasany teo amin’ny tantara. Tantanan’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana ny sain’ny mpino, ka mahay manavaka sy mandray izay antso marina an’i Kristy na ny olomasiny ao amin’ny Fiangonana, raketin’ireny fanambaràna ireny. Tsy azon’ny finoana kristianina ekena ny “fanambaràna” izay mihambo hisongona na hanitsy ny Fanambaràna izay i Kristy no fanaperana. Toe-javatra fahita izany any amin’ny antokom-pinoana tsy kristianina sasantsasany ary koa any amin’ny sekta sasantsasany izay miorina amin’ny “fanambaràna” toy izany.
FAMINTINANA 68. Noho ny fitiavana, dia nanambara ny Tenany sy nanolotra ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra. Amin’izany Izy no manome ny valin-teny raikitra sy mihoatra lavitra noho izay fanontaniana apetraky ny olombelona momba ny hevitra sy ny tanjon’ny fiainany. 69. Nanambara ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra, amin’ny fampahalalana tsikelikely taminy ny misteriny manokana, tamin’ny alalan’ny asa sy tamin’ny alalan’ny teny. 70. Ankoatra ny porofo izay omen’ny Tenan’Izy Andriamanitra ao amin’ireo zavaboary, dia naneho ny Tenany ihany koa Izy tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Niresaka tamin’izy ireo Izy,ary taorian’ny fahalavoana dia nampanantena famonjena[55] tamin’izy ireo sy nanolotra ny fanekem-pihavanany tamin’izy ireo. 71.Nanao fanekem-pihavanana mandrakizay teo Aminy sy ny zavamananaina rehetra niaraka tamin’i Nôe, Andriamanitra[56]. Haharitra izany, hatramin’ ny faran’izao tontolo izao. 72. Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra ary nanao fanekem-pihavanana taminy sy tamin’ny taranany. Nanabe ny vahoakany tamin’izany Izy, izay nanambaràny ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy. Nanomana azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminany Izy, mba handray ny famonjena natokana ho an’ny olombelona rehetra. 73. Nanambara manontolo ny Tenany Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny tena Zanany, Ilay nanorenany ny Fanekem-pihavanana mandrakizay. Izy io no Tenin’ny Ray farany, ka tsy hisy Fanambaràna hafa intsony aoriany.
Ny fampitana ny Fanambaràn’Andriamanitra 74. “Tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,4), izany hoe i Kristy Jesoa[57]. Noho izany, tokony hotorìna amin’ny firenena rehetra sy amin’ny olombelona rehetra i Kristy, ka amin’izany no ho tonga manerana ny vazan-tany rehetra ny Fanambaràna :
I. Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly 75. “I Kristy Tompo izay ao Aminy no tomombana ny Fanambaràna manontolo nataon’Andriamanitra Avo Indrindra, ka ny Tenany ihany no nanatanteraka ary ny vavany mihitsy no nitory ny Evanjely nampanantenaina mialoha tamin’ny alalan’ny Mpaminany, dia nanome baiko ny Apôstôliny hitory izany amin’ny olona rehetra ho loharanon’ny fahamarinana mahavonjy rehetra sy ny fitsipika môraly rehetra, amin’ny fampitana amin’izy ireo ny fanomezan’Andriamanitra”[59].Ny toritenin’ny apôstôly … 76. Ny fampitana ny Evanjely, araka ny baikon’ny Tompo, dia natao tamin’ny fomba anankiroa :
… nitohy teo amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly 77. “Mba ho voatahiry lalandava tsy misy nanombinana sy mba ho velona ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely, dia namela ny Eveka ho dimbin’izy ireo ny apôstôly, ka ireo no "namindrany ny adidim-pampianarana nosahaniny"[61]”. Noho izany, “ny toritenin’ny apôstôly izay voavelabelatra tamin’ny fomba manokana ao amin’ireo boky avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia tsy maintsy tahirizina amin’ny alalan’ny fifandimbiasana tsy tapaka mandra-pahatapitry ny fotoana rehetra”[62].78. Izany fampitam-pampianarana velona, tanteraka ao amin’ny Fanahy Masina izany, no antsoina hoe Lovam-pampianarana, noho izy miavaka amin’ny Soratra Masina, na dia mifamatotra mafy aminy aza. Amin’ny alalany “ny Fiangonana no mampaharitra tsy tapaka ny fitambaram-pampianarany, ny fiainany ary ny fanompoany ara-pivavahana, sy mampita amin’ny taranaka mifandimby izay rehetra maha-izy azy, izay rehetra inoany”[63]. “Manamarina ny fisiana manan-kerin’io Lovam-pampianarana io ny fampianaran’ny Aba masina, ka ny harena avy amin’izany dia miampita eo amin’ny fanaovana ny asa mbamin’ny fiainan’ny Fiangonana izay mino sy mivavaka”[64]. 79. Araka izany, ny fifandraisana nataon’ny Tenan’Izy Ray ihany tamin’ny alalan’ny Teniny ao amin’ny Fanahy Masina, dia misy lalandava eo amin’ny Fiangonana sy miasa ao aminy : “Andriamanitra izay niteny fahiny dia tsy mitsahatra miresaka amin’ny Vadin’ny Zanany malalany, ary ny Fanahy Masina, izay mampanako ny feo velon’ny Evanjely ao amin’ny Fiangonana, ary amin’ny alalan’ny Fiangonana mampanako izany eo amin’izao tontolo izao, dia mampiditra ny mpino amin’ny marina rehetra sy mampitoetra be dia be ny tenin’i Kristy ao amin’izy ireo”[65]. II. Ny fifandraisan’ny Lovam-pampianarana sy ny Soratra Masina Iray loharano nipoirana … 80. “Mifaningotra sy mifandray lalina izy roa tonta. Satria samy avy amin’ Andriamanitra iray ihany ny loharano ipoiran’izy ireo, ka azo lazaina hoe mitambatra ho iray ary miroso ho amin’ny zava-kinendry tokana”[66]. Samy maneho sy mampamokatra ao amin’ny Fiangonana ny misterin’i Kristy izay nampanantena fa eo amin’ny mpianany “mandrakariva, ambara-pahatongan’ ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28,20), izy roa tonta. … fomba fampitana roa miavaka tsara 81.“Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina, ka tamin’ny fitsilovan’ny Fanahin’ Andriamanitra no nahatonga azy ho voarakitra an-tsoratra”. “Ny Lovam-pampianarana Masina kosa, dia mirakitra ny Tenin’Andriamanitra nankinin’i Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina tamin’ireo apôstôly, sy mampita izany manontolo amin’ny dimbin’izy ireo, mba hitahirizan’izy ireo izany, hanazavan’ izy ireo izany ary hampielezan’izy ireo izany tsy misy mivaona, noho ny fitsilovan’ ny Fanahin’ny fahamarinana amin’ny fitoriana izany”[67].82. Vokatr’izany, ny Fiangonana izay nanankinana ny fampitana sy ny fanazavana ny Fanambaràna, dia “tsy mamoaka avy amin’ny Soratra Masina irery ihany ny zavatra azony antoka fa marina ny amin’ny lafiny rehetra raketin’ny Fanambaràna. Izany indrindra no tsy maintsy andraisana sy anajana azy roa tonta amin’ny fitiavana sy ny fanajana mitovy tsy misy valaka”[68]. Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly sy lovam-pampianarana avy amin’ny Fiangonana 83. Ny Lovam-pampianarana fototry ny resaka ataontsika eto dia ny avy amin’ireo apôstôly, ka mampita an’izay noraisin’izy ireo avy amin’ny fampianarana sy avy amin’ny oha-piainan’i Jesoa sy izay nianaran’izy ireo tamin’ny Fanahy Masina. Araka izany, tsy mbola nanana ny Testamenta Vaovao voasoratra ireo kristianina tany am-boalohany, fa ny Testamenta Vaovao ihany no manamarina ny fizotran’ny Lovam-pampianarana velona. Tsy maintsy avahana amin’izany anefa ireo “lovam-pampianarana” ara-teôlôjia, ara-pitsipi-pifehezana, ara-litorzia na ara-pitiavam-bavaka, izay nipoitra teny am-pamakivakiana ny taona nifandimby tao amin’ireo Fiangonana teo an-toerana. Ireny no anisan’ny endrika manokana izay nandraisan’ny Lovam-pampianarana fototra, ny fomba fiteny namboarina ho sahaza ny toeran-tsamihafa sy ny fotoan-tsamihafa. Avy amin’ny fitsilovan’io Lovam-pampianarana fototra io no mety itanana, anitsiana na anariana ireny lovam-pampianarana tany amin’ny Fiangonana teo an-toerana ireny, eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana.III. Ny fivoasana ny lovam-pinoana Ny lovam-pinoana nankinina amin’ny Fiangonana manontolo 84. “Ny lova masina”[69] momba ny finoana (depositum fidei) voarakitra ao amin’ ny Lovam-pampianarana Masina sy ao amin’ny Soratra Masina dia nankinin’ ireo apôstôly tamin’ny Fiangonana manontolo. “Eo am-pifikirana amin’izany lova izany ny vahoaka masina manontolo miray amin’ny mpitondra azy ireo, no maharitra tsy mivadika amin’ny fampianaran’ny apôstôly sy amin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, amin’ny famakiana ny mofo sy amin’ny fivavahana, hany ka eo am-pifikirana sy am-pampiharana ary am-panehoana ampahibemaso ny finoana nampitaina, no iorenan’ny fiombonan-tsaina amam-panahy manokana eo amin’ny mpitondra Fiangonana sy ny mpino”[70].Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana 85. “Ny adidy aman’andraikitra hivaofy amin’ny tena heviny marina ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra na nampitaina am-bava, dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana, ka amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy no ampiasan’ny mpitondra mahefa izany”[71], izany hoe ireo Eveka miombona amin’ny dimbin’i Piera, Evekan’i Rôma.86.“Saingy tsy ambony noho ny Tenin’Andriamanitra io Toniam-pampianarana io, fa manompo azy, ary tsy mampianatra afa-tsy izay nampitaina ihany, satria noho ny didin’Andriamanitra, ombàn’ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia mihaino an’io Tenin’Andriamanitra io amim-pitiavana, mitandrina azy amim-pahamasinana, mamelabelatra azy amim-pahamarinana ny Toniam-pampianarana, ary manovo avy amin’io tahirim-pinoana tokana io izay rehetra natolotra inoana satria nambaran’Andriamanitra”[72]. 87. Ny mpino, eo am-pahatsiarovana ny tenin’i Kristy tamin’ny apôstôliny hoe : “Izay mihaino anareo, mihaino Ahy” (Lk 10,16)[73], dia mandray amim-pankatoavana ny fampianarana sy ny torolalana izay omen’ny mpitondra azy ireo amin’ny endrika samy hafa.Ny teny finoana 88. Mampiasa manontolo ny fahefana noraisina tamin’i Kristy ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, rahefa mamaritra teny finoana, izany hoe rahefa manolotra ireo marina raketin’ny Fanambaràn’Andriamanitra, amin’ny fomba mandidy ny vahoaka kristianina hifikitra sy tsy hivadika amin’ny finoana, na rahefa manolotra ireo marina ilaina ambara izay mifamatotra amin’ny marina raketin’ny Fanambaràn’Andriamanitra.89. Misy fifamatorana mafy ny fiainantsika ara-panahy sy ny teny finoana. Ny teny finoana no fahazavana eny an-dalan’ny finoantsika, izy no manazava izany sy mahatonga ny dia ho azo antoka. Raha ampifamadihana ny fomba filaza azy, dia hoe : raha mahitsy ny fiainantsika, dia hisokatra ny saintsika sy ny fontsika handray ny fahazavana avy amin’ny teny finoana[74]. 90.Mety ho hita ao amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna ny misterin’i Kristy, ny fifamatorana sy ny fifampitohizan’ny teny finoana[75]. Koa, tsara tadidiana fa “ny maha-samihafa ny fifandraisan’izy ireny amin’ny fototry ny finoana kristianina dia manamarika laharana na "ambaratongam"-pahamarinan’ny fitambaram-pampianarana katôlika”[76].Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona 91. Manana anjara amin’ny fahazoana an-tsaina sy amin’ny fampitana ny marina nambara, ny mpino rehetra. Nandray ny fanosoran’ny Fanahy Masina izy ireo, izay mampianatra azy ireo[77] sy mitari-dalana azy ireo “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13).92. “Tsy mety ho diso amin’ny finoana, ny fitambaramben’ny mpino (…), ary mampiseho izany sàtany izany amin’ny alalan’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, izay an’ny vahoaka manontolo "manomboka amin’ny Eveka ka hatramin’izay farany amin’ireo mpino lahika", rahefa milaza ny faneken’ny daholobe ny marina momba ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy”[78]. 93. “Noho izany hevi-pinoana izany izay fohazin’ny Fanahin’ny fahamarinana sy tohanany, sy eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana masina, (…) dia miraiki-po amim-paharetana lalandava amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina ny Vahoakan’Andriamanitra, sy mandalina izany bebe kokoa eo am-pivoasana tsara izany, ary mampihatra izany eo amin’ny fiainany amin’ny fomba lavorary kokoa”[79].Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana 94. Noho ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia afaka mitombo ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fahalalana ny zava-misy toy ireo teny amin’ny lovam-pinoana :
95. “Mazava àry fa ny Lovam-pampianarana Masina, ny Soratra Masina ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fandaminana araka ny tena fahendren’Andriamanitra, dia mifamatotra sy mifampiankina tokoa amin’izy samy izy, hany ka tsy misy amin’ireo singam-pampianarana ireo maharitra raha tsy eo ny hafa, ary izy rehetra miaraka, samy araka ny fomban’ny tsirairay avy, noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany, dia manampy amim-pomba mandaitra amin’ny famonjena ny fanahy”[85].
FAMINTINANA 96. Izay nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly, dia nampitain’izy ireo tamin’ny toriteniny sy tamin’ny soratra, teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ho an’ny taranaka rehetra mifandimby, mandra-piverin’i Kristy amim-boninahitra. 97. “Ny Lovam-pampianarana Masina sy ny Soratra Masina no manorina ny tahiry tokana masin’ny Tenin’Andriamanitra”[86], izay amin’izany, toy ny eo amin’ny fitaratra, no ibanjinan’ny Fiangonana mivahiny eto an-tany an’ Andriamanitra, loharanon-karen’ny teniny rehetra. 98. “Amin’ny fitambaram-pampianarany, amin’ny fiainany ary amin’ny fanompoany ara-pivavahana ny Fiangonana no mampaharitra lalandava sy mampita amin’ny taranaka tsirairay avy, izay rehetra maha-izy azy sy izay rehetra inoany”[87]. 99. Noho ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo dia tsy mitsahatra mandray ny fanomezan’ny Fanambaràn’Andriamanitra, miditra ao amin’izany lalindalina kokoa ary mivelona amin’izany manontolo. 100. Ny fiadidiana hivaofy amim-pahamarinana ny Tenin’Andriamanitra dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny Papa sy amin’ireo Eveka miombona aminy.
ANDALANA 3
I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina 101. Ao anatin’ny fahambonian’ny hatsaram-panahiny Andriamanitra no miteny amin’ny fitenin’olombelona, mba hanambaràny ny Tenany amin’ny olombelona : “Satria, ny Tenin’Andriamanitra voambara amin’ny fitenin’ olombelona dia lasa nisy fifanahafana amin’ny tenin’olombelona, tahaka ny nahatonga ho mitovy amin’ny olombelona ny Tenin’ny Ray mandrakizay, rahefa nitafy ny nofon’ny fahalementsika Izy”[88]. 102. Tsy milaza afa-tsy Teny iray Andriamanitra, amin’ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina, dia ny Teniny tokana izay ao Aminy no ilazany ny Tenany manontolo[89] :Tsarovinareo, fa iray ihany ny Tenin’Andriamanitra izay voavelabelatra ao anatin’ny Soratra Masina manontolo, satria iray ihany ny Teny izay manako ao am-bavan’ny mpanoratra masina rehetra, dia Ilay Andriamanitra ao amin’ Andriamanitra hatrany am-boalohany, tsy mila vaninteny satria tsy voafehin’ ny fotoana [90].103. Noho izany antony izany, hajain’ny Fiangonana lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra, tahaka ny hanajany koa ny Vatan’ny Tompo. Tsy mitsahatra izy manolotra ho an’ny mpino ny Mofon’aina raisiny eo amin’ny Latabatry ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy[91]. 104. Ao amin’ny Soratra Masina no ahitan’ny Fiangonana tsy an-kijanona ny sakafony sy ny heriny[92], satria amin’ny Fiangonana dia tsy raisiny ho tenin’ olombelona fotsiny ny Soratra Masina, fa izay tena maha-izy azy : Tenin’ Andriamanitra[93]. “Noho izany, ao amin’ny Boky Masina no ahatongavan’ny Ray izay any an-danitra amim-pitiavana eo anoloan’ny zanany sy iresahany amin’izy ireo”[94]. II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina 105. Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina. “Ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, izay ao amin’ny bokin’ny Soratra Masina sy atolony, dia voarakitra an-tsoratra teo ambanin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina”. “Mihevitra ny Fiangonana Masina Renintsika, noho ny finoany avy amin’ny apôstôly, fa masina sy ara-pitsipi-pinoana ny boky rehetra na ny Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao, miaraka amin’ny fizarazarana rehetra ao aminy, satria manana an’Andriamanitra ho tompon-tsoratra izy ireo, noho izy ireo voasoratra teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ary toy izany hatrany no nampitàna azy ireo tao amin’ny Fiangonana”[95]. 106. Andriamanitra no nitsilo ny sain’olombelona mpanoratra ny Boky Masina. “Mba hamoronana ireny boky masina ireny, dia nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’ izy ireo Andriamanitra, ka ny Tenany rahateo ihany no niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ny alalan’izy ireo, mba hametrahan’izy ireo an-tsoratra, amin’ ny maha-mpanoratra marina tokoa azy ireo, izay rehetra nifanaraka tamin’ny fanirian’Izy Mpitsilo, ary dia izay ihany”[96]. 107. Mampianatra ny marina ny boky avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina. “Satria ny filazana marina rehetra ataon’ny mpanoratra nahazo fitsilovana na koa hoe mpanoratra masina, dia tsy maintsy tànana fa filazana marina avy amin’ny Fanahy Masina, ka noho izany, tsy maintsy ambara fa ny bokin’ny Soratra Masina dia mampianatra amin’ny fomba hentitra, araka ny tena izy ary tsy misy diso, ny marina izay sitrak’Andriamanitra ho voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Taratasy masina momba ny famonjena antsika”[97].108. Saingy “tsy fivavaham-Boky” ny finoana kristianina, fa fivavahan’ny “Tenin’”Andriamanitra, “tsy avy amin’ny teny voasoratra sy moana, fa avy amin’ny Teny tonga nofo sy velona”[98]. Mba tsy hijanona ho soratra maty ny Soratra Masina, dia tsy maintsy i Kristy, Teny mandrakizain’Andriamanitra velona, no “manokatra ny saina amam-pahalalantsika hahafantatra ny Soratra Masina”[99], amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina 109. Ao amin’ny Soratra Masina, miteny amin’ny olombelona araka ny fomban’ olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin’ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak’Andriamanitra haseho antsika amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo[100]. 110. Mba hahatakarana ny hevitry ny mpanoratra masina, dia tsy maintsy dinihina ny fomba fiainana tamin’ny androny sy ny fomba fisainany, ny “karazan-dahatsoratra” fampiasa tamin’izany fotoana izany, ny fomba fahatsapana, fiteny ary fitantara nahazatra tamin’izany fotoana izany. “Satria tsy mitovy ny fomba fanehoana sy filazana ny marina amin’ny lahatsoratra samihafa momba ny tantara, amin’ny lahatsoratra momba ny faminaniana, na momba ny aingam-panahy, na koa amin’ny karazana fanehoan-kevitra hafa”[101]. 111. Fa noho ny Soratra Masina avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia misy fitsipika fototra hafa enti-mivaofy azy marina, izay tsy latsa-danja noho ilay tetsy aloha, ary raha tsy misy azy, hijanona ho taratasy maty ny Soratra Masina : “Tsy maintsy vakìna sy voasana eo ambany fahazavan’ilay Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina”[102]. Foto-piheverana telo no atoron’ny Kônsily Vatikana II amin’ny fivoasana ny Soratra Masina mifanaraka amin’ny hevitry ny Fanahy izay nitsilo azy[103] : 112. 1. Tandremana fatratra aloha “ny zava-boarakitra sy ny maha-tokana ny Soratra Masina manontolo”. Satria, na samy hafa toy inona aza ny boky nanoratana azy, dia iray ny Soratra Masina noho ny maha-tokana ny fandaharan’Andriamanitra, izay i Kristy Jesoa no ivo sy fo, nisokatra nanomboka tamin’ny Pakany[104].Ny fon’i[105] Kristy no mampiseho ny Soratra Masina ary ny Soratra Masina no mampahafantatra ny fon’i Kristy. Nikatona io fo io talohan’ny fijaliana satria maizina ny Soratra tamin’izany. Fa nisokatra ny Soratra taorian’ny fijaliana, satria hatramin’izao ireo izay manam-pahalalana dia mamakafaka sy mandanjalanja hoe : amin’ny fomba ahoana no tsy maintsy ivoasana ny teny faminaniana[106]. 113. 2. Avy eo mamaky ny Soratra Masina ao amin’ “ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana manontolo”. Araka ny fombam-pitenenana iray nataon’ ny Aba, dia ao am-pon’ny Fiangonana no tsara kokoa amakiana ny Soratra Masina, toy izay amin’ny fitaovana fampitana ny heviny[107]. Satria, entin’ny Fiangonana ao amin’ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon’ny Tenin’Andriamanitra, ary dia ny Fanahy Masina no manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina (“… araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Fiangonana”[108]).114. 3. Tandremana “ny fifanahafam-pinoana”[109]. Ny antsoina hoe “fifanahafam-pinoana”, dia ny firaisan’ny marina rehetra momba ny finoana amin’izy samy izy sy amin’ny fikasana manontolo iompanan’ny Fanambaràna. Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina 115. Araka ny lovantsofina tranainy iray, azo avahana ho roa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina : ny hevitra ara-bakiteny sy ny hevitra ara-panahy, ka ity farany ity indray moa mitsinjara ho heviny an’ohatra, heviny ara-môraly ary heviny ara-tandindona. Ny fifanarahana lalina eo amin’ireo heviny efatra ireo no miantoka ny haren-tsarobidiny manontolo amin’ny famakiana feno aina ny Soratra Masina ao amin’ny Fiangonana : 116. Ny hevitra ara-bakiteny. Dia ny hevitra ambaran’ny tenin’ny Soratra Masina sy ahariharin’ny haihevi-tsoratra izay manaraka ny fitsipiky ny fivoasana marina. “Ao amin’ny hevitra ara-bakiteny no iankinan’ny hevi-tenin’ny Soratra Masina rehetra”[110].117. Ny hevitra ara-panahy. Noho ny maha-iray ny fandaharan’Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana, fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy.
118. Misy andalana miaraka tsiroaroa amin’ny tononkalo iray tamin’ny taonjato antenatenany mamintina ireo hevitra efatra ireo : Ny hevitra ara-bakiteny no mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an’ohatra no manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly no mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona no manoro ny hoe mankamin’ny inona no tsy maintsy ezahina kendrena[114]. 119. “Anjaran’ny mpamakafaka ny Soratra Masina no miezaka hanakatra sy hanazava lalindalina kokoa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, araka ireo fitsipika ireo, mba hanamasaka ny fomba fitsaràn’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny famakafakana ataon’izy ireo izay toy ny fanomanana mialoha. Satria izay rehetra mahakasika ny fomba fivoasana ny Soratra Masina dia miafara eo ambany fitsaràna amam-panapahan-kevitry ny Fiangonana, izay misahana ny andraiki-panompoana sy mampiasa ny fahefana noraisiny tamin’Andriamanitra mba hitahirizana ny Tenin’Andriamanitra sy hivoasana izany”[115].Tsy ho nino ny Evanjely aho, raha tsy ny fahefan’ny Fiangonana katôlika no nanosika ahy ho amin’izany[116]. IV. Ny Lisitry ny boky mirakitra ny Soratra Masina 120. Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly no nahatonga ny Fiangonana hahay manavaka hoe soratra toy inona no tsy maintsy noraisina ho ao anatin’ny lisitr’ireo Boky Masina[117]. Io lisitra manontolo io no antsoina hoe “Boky masina mirakitra” ny Soratra Masina. Misy boky 46 (45, raha isaina miaraka i Jer sy ny Fitom) ny Testamenta Taloha ary misy boky 27 ny Testamenta Vaovao[118] :Ny Testamenta Taloha : Jenezy, Eksaody, Levitika, Fanisana, Deterônômy, Jôsoe, Mpitsara, Rota, 1 sy 2 Samoela, 1 sy 2 Mpanjaka, 1 sy 2 Tantara, Esdrasa sy Nehemia, Tobia, Jodita, Estera, 1 sy 2 Makabeo, Jôba, ny Salamo, ny Ohabolana, ny Mpitoriteny, ny Tonon-kira dia Tonon-kira, ny Fahendrena, ny Ekleziastika, Izaia, Jeremia, ny Fitomaniana, Baròka, Ezekiela, Daniela, Ôsea, Joely, Amôsa, Abdiasa, Jônasa, Mikea, Nahoma, Habakoka, Sôfônia, Akjea, Zakaria, Malakia. Ny Testamenta Vaovao : Ny Evanjelin’i Matio, i Marka, i Lioka ary i Joany, ny Asan’ny Apôstôly, ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Rômanina, ny 1 sy 2 ho an’ny Kôrintianina, ho an’ny Galata, ho an’ny Efezianina, ho an’ny Filipianina, ho an’ny Kôlôsianina, ny 1 sy 2 ho an’ny Tesalônisianina, ny Taratasy 1 sy 2 ho an’i Timôte, ny Taratasy ho an’i Tito, ho an’i Filemôna, ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ny Taratasin’i Jakôba, ny Taratasy 1 sy 2 Piera, ny Taratasy 1 sy 2 ary 3 Joany, ny Taratasin’i Joda ary ny Apôkalipsa. Ny Testamenta Taloha 121. Fizarana iray tsy azo esorina amin’ny Soratra Masina, ny Testamenta Taloha.Fitsilovana avy amin’Andriamanitra sy mitahiry soatoavina maharitra sady tsy miova ny boky rehetra ao[119], satria tsy nofoanana na oviana na oviana ny Fanekem-pihavanana Taloha.122. Noho izany, “mifototra indrindra amin’ny fanomanana ny fahatongavan’i Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny fitantanam-pamonjena ao amin’ny Testamenta Taloha.” “Na dia mirakitra zavatra tsy lavorary sy vonjimaika aza” ireo bokin’ny Testamenta Taloha ireo, dia manaporofo ny fahaizan’ Andriamanitra manabe tanteraka amin’ny fitiavany mahavonjy : “Ao amin’ ireo no mirakitra ny fampianarana ambony momba an’Andriamanitra, ny fahendrena mahasoa amin’ny fiainan’ny olombelona, ny raki-bavaka mahatalanjona ; farany, ao amin’ireo no iafenan’ny misterin’ny famonjena antsika”[120]. 123. Manaja ny Testamenta Taloha ho Tenin’Andriamanitra tokoa ny kristianina. Manohitra mafy lalandava ny hevitra hanary ny Testamenta Taloha ny Fiangonana, araka ny fivaonam-pampianarana hoe : ny Testamenta Vaovao no nahatonga azy ho lany andro (fampianaran’i Marcion). Ny Testamenta Vaovao 124. “Miseho ao amin’ireo bokin’ny Testamenta Vaovao, ny Tenin’ Andriamanitra, izay heriny ho famonjena ny mpino rehetra, ary miharihary ao amin’ny fomba miavaka izany heriny izany”[121]. Ireo boky ireo no manolotra ny marina fanaperana amin’ny Fanambaràn’Andriamanitra ho antsika. Ny votoatin’ireo dia i Jesoa-Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo, ny asany, ny fampianarany, ny fijaliany sy ny fanomezam-boninahitra Azy ary koa ny fanombohan’ny Fiangonany noho ny asan’ny Fanahy Masina[122]. 125. Ny Evanjely no ivon’ny Soratra Masina rehetra “noho izy ireo manambatra ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran’ ny Teny tonga nofo, Mpamonjintsika”[123].126. Azo avahana ho dingana telo ny niforonan’ireo Evanjely : 1. Ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa. Ny Fiangonana dia mitana mafy tsy azo hozongozonina fa ireo Evanjely efatra, “izay lazainy marina tsy amim-pihambahambana ny fisiany ara-tantara, dia mampita araka ny tena izy izay nataon’i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra sy nampianariny marina tokoa, nandritra ny fiainany teo anivon’ny olombelona, ka hatramin’ny andro izay nampakarana Azy any an-danitra, ho famonjena azy ireo mandrakizay”. 2. Ny lovam-panahy nampitaina am-bava. “Taorian’ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra, dia nampitain’ny apôstôly tamin’ny mpihaino azy ireo, izay nolazain’ny Tompo sy nataony, tamim-pahalalana lalindalina kokoa ny zavatra izay nahafaly ny tenan’izy ireo, dia izy ireo izay nahazo fianarana avy amin’ny zava-niseho malaza momba an’i Kristy sy nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana”.3. Ireo Evanjely vita an-tsoratra. “Ny mpanoratra masina àry no nandahatra an-tsoratra ny Evanjely efatra, nifantina ny sasantsasany tamin’ireo zavatra maro, na am-bava na efa vita an-tsoratra, namintina ny efa vitan’ny sasany, na nanazava izany araka ny toe-javatra nisy niainan’ny Fiangonana, ary farany, nitàna ny endriky ny toriteny, izay hampitana lalandava amintsika ireo zavatra marina sy mahitsy momba an’i Jesoa”[124]. 127. Mitana toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely amin’ny endrika efatra, izay porofoin’ny fanajana omen’ny litorzia izany, sy ny hery manintona tsy manan-tsahala izay niasa tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny olomasina :Tsy misy fitambaram-pampianarana tsara kokoa, sarobidy kokoa, kanto kokoa noho ny lahatsoratry ny Evanjely. Jereo sy tadidio izay nampianarin’ny Tompontsika sady Mpampianatra, dia i Kristy, tamin’ny teniny sy notanterahiny tamin’ny asany[125]. Fa ambonin’ny zavatra rehetra, ny Evanjely no mampaharitra ahy amin’ny vavaka ataoko; ao aminy no ahitako izay rehetra ilain’ny fanahiko mahantra. Ao no ahitako lalandava ny fahazavana vaovao, ny hevi-miafina sy mifono mistery[126].Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao 128. Ny Fiangonana, efa hatramin’ny andron’ny apôstôly[127], ary tsy miova tao amin’ny Lovam-pampianarany, dia nanazava ny maha-tokana ny drafitr’ asan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta anankiroa noho ny tandindona raketiny (typologie). Izany tandindona raketiny izany no andanjalanjana ao amin’ny tsanganasan’Andriamanitra tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ny fampisehoana mialoha izay notanterahin’Andriamanitra tao amin’ny Zanany tonga nofo, nony feno ny fotoana.129. Noho izany, mamaky ny Testamenta Taloha araka ny fahazavan’i Kristy maty sy ny nitsangan-ko velona ny kristianina. Izany vakiteny ara-tandindona izany no maneho ny votoaty tovozin-tsy ritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Io vakiteny io tsy tokony hanadinoana fa ny Testamenta Taloha dia mitana ny soatoaviny manokana amin’ny Fanambaràn’Andriamanitra nohamafisin’ny tenan’Izy Tompontsika rahateo ihany[128]. Ankoatra izany, ny Testamenta Vaovao dia mila vakìna koa amin’ny fahazavan’ny Testamenta Taloha. Hisy hampiasana azy lalandava amin’ny katesezy fototra kristianina izany[129]. Araka ny fiteny tranainy iray, ny Testamenta Vaovao dia miafina ao amin’ny Taloha, nefa ny Taloha miseho ao amin’ny Vaovao : “Miafina ao amin’ny Taloha ny Vaovao ary miharihary ao amin’ny Vaovao ny Taloha”[130]. 130. Ny tandindona dia midika fahavitrihana ho amin’ny fahatanterahan’ny drafitr’asan’Andriamanitra, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 Kôr 15,28). Tahaka izany, ny fiantsoana ny patriarka sy ny Fialana tao Ejipta, ohatra, dia tsy mahavery ny fahambonian’izy ireny manokana tao amin’ny drafitr’asan’Andriamanitra, noho ireny zavatra ireny tafiditra koa amin’ny dingana tsy maintsy nolalovana. V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana 131. “Lehibe tokoa ny hery sy ny tanjaka izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an’ny Fiangonana, ary ho an’ny zanaky ny Fiangonana, mahatonga ho herin’ny finoan’izy ireo, ho sakafon’ny fanahin’izy ireo, ho loharano madio mangarangarana sy tsy mety ritra amin’ny fiainan’izy ireo ara-panahy”[131]. Tsy maintsy “sokafana midanadana ho an’ny kristianina ny varavaran-kidirana amin’ny Soratra Masina”[132]. 132. “Noho izany, ho an’ny teôlôjia masina, aoka ny fianarana Soratra Masina no ho aina mamelona azy. Aoka koa mba hahita ny sakafo mahasalama sy ny hery mahasoa ao amin’io Tenin’ny Soratra Masina io ireto andraiki-panompoana amin’ny Teny ireto : ny fitoriana ara-pastôraly, ny katesezy, ary ny fampianarana manontolo ny kristianina, izay ao amin’izany ny toriteny ara-litorzia no tokony hanana anjara toerana sahaza azy”[133].133. “Mampirisika mafy sy manokana ny kristianina rehetra ny Fiangonana (…), mba hahazo, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masin’ Andriamanitra, “ny fahalalana ambony momba an’i Jesoa-Kristy” (Filip 3,8). "Satria, ny tsy mahalala ny Soratra Masina, dia tsy mahalala an’i Kristy."[134].”
FAMINTINANA 134. “Boky iray ihany ny Soratra Masina manontolo, ary i Kristy io boky iray ihany io, "satria miteny momba an’i Kristy avokoa ny Soratra Masina manontolo, ary tanteraka ao amin’i Kristy izy manontolo "”[135]. 135. “Ny Soratra Masina no mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, ary noho izy azo avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia Tenin’Andriamanitra marina tokoa”[136]. 136. Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina, tamin’ny fitsilovany ny sain’olombelona mpanoratra izany ; niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ ny alalan’izy ireo Izy. Araka izany, Izy no manome antoka fa ny soratr’izy ireo dia mampianatra tsy misy diso ny fahamarinana mahavonjy[137]. 137. Ny fivoasana ny Soratra avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy afantoka indrindra aloha, amin’izay tian’Andriamanitra hambara tamin’ny alalan’ny mpanoratra masina ny amin’ny famonjena antsika. “Izay avy amin’ny Fanahy, dia tsy ho azo tanteraka amin’ny heviny feno raha tsy amin’ny asan’ny Fanahy”[138]. 138. Ny Fiangonana dia mandray sy manaja ho avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina ny boky 46 ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny boky 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao. 139. Ny Evanjely efatra no mitàna ny ivo toerana, satria i Kristy Jesoa no foibeny. 140. Ny maha-tokana ireo Testamenta anankiroa dia avy amin’ny maha-tokana ny fandaharan’Andriamanitra sy ny Fanambaràny. Ny Testamenta Taloha no manomana ny Vaovao, ary ny Vaovao no manatanteraka ny Taloha; mifanazava izy roa, ary samy Tenin’Andriamanitra marina tokoa. 141. “Manaja lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra ny Fiangonana, tahaka ny ataony amin’ny fanajana ny Vatan’ny Tompo”[139] : samy mamelona sy mibaiko ny fiainana kristianina manontolo izy roa ireo. “Ny teninao no fanilon’ny diako, fahazavan’ny lalako”(Sal 119,105)[140].
Ny valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra 142. Amin’ny alalan’ny Fanambaràny, izay “avy amin’ny haben’ny fitiavany, no miteny amin’ny olombelona toy ny sakaizany Andriamanitra tsy hita maso, sy miresaka amin’izy ireo mba hanasa azy ireo hiditra ao amin’ny fiombonana miaraka Aminy, ary mandray azy ireo ao amin’io fiombonana io”[141]. Ny finoana no valin-teny sahaza izany fanasana izany. 143. Amin’ny alalan’ny finoana ny olombelona no mampanaiky tanteraka ny sainy sy ny sitrapony amin’Andriamanitra. Amin’ny tenany manontolo no anehoan’ny olombelona ny fankasitrahany an’Andriamanitra Mpanambara[142]. “Fanekem-pinoana” no iantsoan’ny Soratra Masina izany valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra manambara izany [143].ANDALANA 1
144. Ny manaiky (ob-audire) amin’ny finoana, dia ny mankato an-kalalahana ny teny nohenoina, satria ny fahamarinany dia iantohan’Andriamanitra, ilay Fahamarinana rahateo ihany. I Abrahama no môdely asehon’ny Soratra Masina antsika amin’izany fanekena izany, ary i Maria Virjiny no nahatanteraka izany tamin’ny fomba lavorary indrindra. Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra” 145. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ao amin’ny fiderana lehibe ny finoan’ireo razana, dia manantitrantitra indrindra ny amin’ny finoan’i Abrahama : “Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany” (Heb 11,8)[144]. Noho ny finoana, dia niaina toy ny vahiny sy mpivahiny tao amin’ny Tany nampanantenaina izy[145]. Noho ny finoana, dia nitoe-jaza i Sara ka niteraka ny zanaky ny fampanantenana. Farany, noho ny finoana no nanoloran’i Abrahama ny zanany lahitokana ho sorona[146]. 146. Tanterak’i Abrahama araka izany ny famaritana ny atao hoe finoana lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio : “Ny finoana no antoky ny soa izay antenaina, porofon’ny zava-misy izay tsy hita maso” (Heb 11,1). “Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany” (Rôm 4,3)[147]. Noho izany “finoana mahery” izany (Rôm 4,20), dia tonga “rain’ireo rehetra izay hino” i Abrahama (Rôm 4,11.18)[148].147. Maro tsy tambo isaina ny porofo ao amin’ny Testamenta Taloha, ny amin’ izany finoana izany. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao antso avo ny fiderana ny finoana soa fianatra niveloman’ny Ntaolo, “izay nahatsara laza azy ireo” (Heb 11,2.39). Kanefa “anjara tsaratsara kokoa no notsinjovin’ Andriamanitra ho antsika” : ny fahasoavana ahafahana mino an’i Jesoa Zanany, “filohan’ny finoantsika, izay mitondra izany finoana izany ho amin’ ny fahalavorariana” (Heb 11,40 ; 12,2). Maria – “Sambatra ilay nino” 148. I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1,37)[149], ka nanomezany ny fankatoavana hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,38). Niarahaba azy i Elizabeta hoe : “Sambatra ilay nino, fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” (Lk 1,45). Noho io finoana io no mahatonga ny taranaka rehetra hanambara azy hoe sambatra[150].149. Nandritra ny androm-piainany manontolo, ka hatramin’ny fisedrana azy farany[151], fony maty teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa Zanany, tsy nivembena ny finoany. Tsy nitsahatra nino ny “fahatanterahan’ny” Tenin’Andriamanitra taminy i Maria. Koa izany indrindra no anajan’ny Fiangonana ao amin’i Maria ny fanatanterahana mangarangarana indrindra ny finoana. II. “Fantatro ilay izay inoako” (2 Tim 1,12) Mino an’Andriamanitra tokana 150.Ny finoana aloha dia firaiketan’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra ; sady miaraka no tsy azo sarahina amin’ny fankatoavana an-kalalahana ny marina rehetra izay nambaran’Andriamanitra izany. Noho ny maha-firaiketan’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra sy fankatoavana ny marina izay nambarany ny finoana, dia tsy mitovy amin’ny finoana tsangan’olona iray ny finoana kristianina. Mendrika sy rariny ny manankina ny tena manontolo amin’Andriamanitra sy ny mino tanteraka izay nolazainy. Tsinontsinona sady diso ny mametraka ny finoana toy izany amin-javaboary[152].Mino an’i Jesoa-Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra 151. Ho an’ny kristianina, ny mino an’Andriamanitra dia tsy azo sarahina amin’ ny mino an’Ilay izay nirahiny, dia “ny Zanany malalany” izay ankasitrahany indrindra[153] ; nilazan’Andriamanitra isika hihaino Azy[154]. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no nilaza tamin’ny mpianany hoe : “Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa” (Jo 14,1). Afaka mino an’i Jesoa-Kristy isika satria Andriamanitra rahateo ihany Izy, ilay Teny tonga nofo : “Tsy nisy nahita maso an’Andriamanitra na oviana na oviana ; ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy” (Jo 1,18). Satria Izy no “nahita maso ny Ray” (Jo 6,46), Izy irery no mahalala Azy sy afaka manambara Azy[155].Mino ny Fanahy Masina 152. Tsy afaka mino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa ? Satria “tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, hatramin’izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra (…) Tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1 Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala an’ Andriamanitra manontolo. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy.Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana. III. Ny toetra mampiavaka ny finoana Fahasoavana ny finoana 153. Rahefa niaiky i Md Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia nambaran’i Jesoa azy fa izany fanambaràna izany dia tsy tonga tao aminy “avy amin’ny nofo aman-dra, fa avy amin’ny Rainy izay any an-danitra” (Mt 16,17)[156]. Fanomezan’Andriamanitra ny finoana, herim-panahy mihoatra ny natoraly nampitain’Andriamanitra. Mba ho voaraikitra izany finoana izany, ilain’ny olombelona ny fahasoavana mahakolokolo sy mitahy avy amin’ Andriamanitra, ary koa ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izy io no manohina ny fo sy mampitodika izany any amin’Andriamanitra, manokatra ny masom-panahy ary manome “ho an’ny rehetra ny hamamiana eo am-panekena sy eo am-pinoana ny fahamarinana”[157].Asan’olombelona ny finoana 154. Tsy mety ho tanteraka ny hoe mino raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izany anefa tsy mandiso velively ny hoe ny mino dia tena asan’olombelona tokoa. Tsy mifanohitra na amin’ny fahafahana na amin’ny fisainan’ny olombelona ny matoky an’ Andriamanitra sy ny mifikitra amin’ny fahamarinana nambarany. Na amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona aza moa, tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny tenantsika ny mino izay ambaran’ny olon-kafa amintsika momba ny tenan’izy ireo sy momba ny fikasany aman’eritreritr’izy ireo, sy ny matoky ny fampanantenan’izy ireo (ohatra : rahefa hivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray), mba hidirana araka izany ao amin’ny fifampiombonana. Koa noho izany, vao mainka tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehantsika ny “maneho amin’ny finoana ny fankatoavana feno sy manontolo avy amin’ny saina amam-pahalalantsika sy ny sitrapontsika takìn’Andriamanitra izay manambara”[158], ka hidirana araka izany amin’ny fiombonana lalina miaraka Aminy.155. Amin’ny finoana, ny saina amam-pahalalana sy ny sitrapon’olombelona dia miara-miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra : “Ny mino dia asan’ny saina mifikitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, eo ambany fibaikoan’ ny sitrapo hetsehin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana”[159]. Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina 156. Ny antony inoana dia tsy hoe noho ny marina nambara, izay hita fa marina sy mora azo an-tsaina eo ambany fahazavan’ny saintsika voa-Janahary. Fa mino isika “noho ny hery mampino avy amin’Andriamanitra ihany izay manambara, sady tsy mety ho diso no tsy mamitaka antsika”[160]. “Kanefa, mba hifanaraka amin’ny saina ny marina ambara amin’ny finoantsika, dia sitrak’ Andriamanitra ho arahin’ny porofo ety ivelany amin’ny Fanambaràny, ny vonjy ao anaty avy amin’ny Fanahy Masina”[161]. Araka izany, ny zava-mahagaga nataon’i Kristy sy ny olomasina[162], ny faminaniana, ny fielezan’ny Fiangonana sy ny fahamasinany, ny fahavokarany sy ny tsy fiovaovàny, “dia famantarana azo antoky ny Fanambaràna, mifanaraka amin’ny fahatakarana rehetra ananan’ny saina”[163], “antony ahafahana mino” izay mampiseho fa ny fankatoavana ny finoana dia “tsy fihetsehana an-jamban’ny saina velively”[164].157. Azo antoka ny finoana, azo antoka kokoa noho izay rehetra mety ho fahalalan’olombelona, satria miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra rahateo ihany, izay tsy mahavita mandainga. Marina, fa mety ho maizina amin’ny saina sy amin’ny fahalalana azo tamim-pahazaran’ny olombelona ny marina nambara, kanefa “ny fahazoana antoka ny marina, izay avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia lehibe kokoa noho izay avy amin’ny fahalalan’ ny saina voa-Janahary fotsiny izao”[165]. “Tsy ny zava-tsarotra tsy tambo isaina no mahatonga singam-pisalasalana”[166]. 158. “Miezaka hahazo an-tsaina, ny finoana”[167] : Tsy afa-misaraka amin’ny finoana ny fanirian’ny mpino hahalala tsaratsara kokoa an’Ilay izay nametrahany ny finoany, sy hahazo an-tsaina tsaratsara kokoa an’Ilay izay nambarany ; avy eo ny fahalalana lalim-paka kokoa hiantso finoana lehibe kokoa sy hiredaredan’ny fitiavana misimisy kokoa. Ny fahasoavana amin’ny finoana no manokatra “ny masom-panahy” (Efez 1,18) ho amin’ny fahatakaran’ny saina kinga ny zava-boarakitry ny Fanambaràna, izany hoe ny fitambaran’ny fandaharan’Andriamanitra sy ny misterin’ny finoana, ny fifamotaran’izy ireo amin’ny samy izy ireo sy amin’i Kristy, foiben’ny mistery nambara. Ary mba ho “lalindalina kokoa hatrany ny fahatakaran’ny saina ny Fanambaràna, dia tsy mitsahatra ny Fanahy Masina mandavorary bebe kokoa ny finoana, amin’ny alalan’ny fanomezany”[168]. Araka izany, hoy ny ohabolam-pahendren’i Md Augustin manao hoe : “Mino aho mba hahazo an-tsaina ary mahazo an-tsaina aho mba hino tsaratsara kokoa”[169].159. Finoana sy siansa. “Na dia ambonin’ny saina aza ny finoana, tsy mety hisy na oviana na oviana ny tena tsy fifanarahana tokoa eo amin’izy ireo. Satria ilay Andriamanitra izay manambara ny mistery sy mampita ny finoana, dia Izy ihany no mandrotsaka ao an-tsain’ny olombelona ny fahazavan-tsaina, ka tsy afaka handà Azy Tenany Andriamanitra, ary ny marina tsy afaka hanohitra na oviana na oviana ny marina”[170]. “Noho izany, ny fikarohana amin’ny fomba voarindra, eo amin’ny sehatry ny fahaizana amam-pahalalana rehetra, raha toa izany ka entina amin’ny fomba tena ara-tsiansa tokoa sy raha manaraka ny fitsipika ara-moraly, dia tsy hifanohitra na oviana na oviana marina mihitsy amin’ny finoana : ny zava-misy tsy mikasika ny fivavahana sy ny zava-misy momba ny finoana dia ahita ny fiandohan’izy ireo ao amin’ Andriamanitra iray ihany. Fanampin’izany, ny olona izay miezaka amim-pitozoana sy amim-panetren-tena, hahafantatra ireo tsiambaratelon’ny zavatra maro samihafa, dia toy ny tarihin’ny tanan’Andriamanitra, izay manohana ny zavatra rehetra misy sy manao azy ireo ho araka ny toetrany avy, na dia tsy ao an’eritreriny aza izany”[171]. Ny fahafahana amin’ny finoana 160. Mba ho araka ny maha-olombelona, “tokony ho an-tsitrapo ny valim-pinoana omeny an’Andriamanitra ; noho izany, tsy misy azo terena hanaraka ny finoana tsy sitrany. Satria, ny asam-pinoana dia manana izay toetra tsy terena, tsy vozonana izay, araka ny tena fombany”[172]. “Marina fa miantso ny olombelona Andriamanitra hanompo Azy amin’ny fanahy sy fahamarinana ; ka na dia mandidy ny olona amin’ny kônsiansy aza io antso io, tsy manery azy akory. (...) Tao amin’i Kristy Jesoa no niseho mazava dia mazava izany”[173]. Satria nitaona ny olona ho amin’ny finoana sy ny fibebahana i Kristy, fa tsy nanery ny amin’izany mihitsy Izy. “Nanambara ny marina Izy, kanefa tsy sitrany ny nanao amboletra izany tamin-kery tamin’ireo mpanohitra Azy. Ny fanjakany (…) dia miitatra noho ny fitiavana izay itarihan’i Kristy voasandratra teo amin’ny Hazofijaliana, ny olombelona rehetra ho eo Aminy”[174].Ny ilana ny finoana 161. Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io[175]. “Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra” (Heb 11,6), ary tsy afaka mahazo anjara amin’ny toetra maha-zanany ; tsy misy olona hahita fanamarinana na oviana na oviana raha tsy misy finoana, ary tsy misy olona hahazo ny fiainana mandrakizay raha “tsy maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany” (Mt 10,22; 24,13)”[176].Ny fitozoana amin’ny finoana 162. Fanomezana maimaim-poana nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny finoana. Afaka manary io fanomezana sarobidy io isika ; nampitandrina an’i Timôte ny amin’izany i Md Paoly hoe : “Miadia amin’ny ady tsara, hananana finoana sy kônsiansy tsara ; niala tamin’izany ny sasany ka rendrika tamin’ny finoana” (1 Tim 1,18-19). Mba hivelona, hitombo, sy hitozo hatramin’ny farany amin’ny finoana, dia tsy maintsy velomintsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izany ; tsy maintsy mangataka amin’ ny Tompo isika, mba hampitombo an’izany[177] ; tsy maintsy “ny fitiavana no hery manetsika” io finoana io (Gal 5,6)[178], tsy maintsy ny fanantenana no mitondra azy[179], ary tsy maintsy miorim-paka ao amin’ny finoan’ny Fiangonana izy.Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay 163. Ny finoana no mahatonga antsika manandrana dieny mialoha ny hafaliana sy ny hazavan’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra, tanjon’ny diantsika ety an-tany. Rahatrizay, hahita an’Andriamanitra “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), “araka ny tena toetrany” (1 Jo 3,2). Efa fanombohan’ny fiainana mandrakizay sahady izany ny finoana :164. Ankehitriny anefa, “mizotra ao amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana” (2 Kôr 5,7), ary “toy ny ao amin’ny fitaratra, ka tsy hita mazava, (…), tsy lavorary” (1 Kôr 13,12) no ahalalantsika an’Andriamanitra. Na mibaribary avy ao amin’Ilay izay inoana aza ny finoana, dia matetika ao anatin’ny maizina no iainana izany. Mety mandalo fitsapan-toetra izany. Ny tontolo izay iainantsika matetika no toa lavitra tokoa an’izay iantohan’ny finoana antsika ; ny fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny ratsy sy ny fijaliana amam-pahoriana, ny tsy fahamarinana sy ny fahafatesana, dia toa manohitra ny Vaovao Mahafaly ; mety hanozongozona ny finoana izy ireny, ary manjary fakam-panahy ho an’ny finoana. 165. Amin’izany isika no tsy maintsy mitodika mankamin’ireo vavolombelon’ny finoana : I Abrahama, izay nino “ary nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenana aza” (Rôm 4,18) ; i Maria Virjiny, “nandroso tamin’ny lalan’ny finoana”[181], ka tafapaka hatramin’ny “haizin’ny finoana”[182] raha niombona fijaliana tamin’ny Zanany sy ny haizina mikitroky ny fasany[183] ; ary ny hafa maro vavolombelon’ny finoana : “Noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany, dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra sy ny fahotana izay mangeja antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, mibanjina an’ilay filohan’ny finoantsika, izay mitondra ny finoana amin’ny fahalavorariana, dia i Jesoa” (Heb 12,1-2).
ANDALANA 2 166. Asan’ny tsirairay ny finoana : valin-teny an-kalalahan’ny olombelona avy amin’ny fanombohan’Andriamanitra manambara ny Tenany. Kanefa tsy asa mandeha singany ny finoana. Tsy misy afaka mino irery, tahaka ny tsy hahafahana miaina irery. Tsy misy afaka manome ny finoana amin’ny tenany ihany tahaka ny tsy hahafahana manome ny aina amin’ny tenany ihany. Nandray ny finoana tamin’ny hafa ny mpino, ka tsy maintsy mampita izany amin’ny hafa. Ny fitiavantsika an’i Jesoa sy ny olombelona no manosika antsika hiteny ny finoantsika amin’ny hafa. Araka izany, ny mpino tsirairay dia sahala amin’ny mason-drojo iray ao anatin’ny rojo ben’ny mpino. Tsy afaka hino aho raha tsy tohanan’ny finoan’ny hafa, ary amin’ny alalan’ny finoako no andraisako anjara hanohana ny finoan’ny hafa.167.“Izaho mino”[184]: izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny mpino tsirairay, indrindra amin’ny fotoana andraisana ny Batemy. “Mino izahay”[185] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny Eveka tafavory amin’ny Kônsily, na matetika amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino amin’ny litorzia. “Izaho mino” : hoy koa ny Fiangonana, Renintsika, izay manoina an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoany, sy mampianatra antsika hanambara hoe : “Izaho mino”, “Mino izahay”. I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao” 168. Ny Fiangonana aloha no mino, ary amin’izany no itondrany sy amelomany ary anohanany ny finoako. Ny Fiangonana aloha, hatraiza hatraiza, no manambara ny Tompo (“Ianao, amin’ny alalan’izao tontolo rehetra izao, no ambaran’ny Fiangonana Masina ho Tompony”, hiraintsika izany ao amin’ny “Te Deum”), ary miaraka aminy sy ao aminy, taominy sy entiny isika hanambara ihany koa hoe : “Izaho mino”, “Mino izahay”. Amin’ny alalan’ny Fiangonana isika no mandray amin’ny Batemy ny finoana sy ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Ao amin’ny “Bokin-damesa Rômanina” (Rituale Romanum), dia anontanian’ny mpandraharahan’ny Batemy ny katekomena hoe : “Inona no angatahinao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ? Ny valin-teny dia hoe : - Ny finoana. – Mampahazo anao inona ny finoana ? – Ny fiainana mandrakizay”[186].169. Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena ; kanefa noho isika mandray ny fiainam-pinoana amin’ny alalan’ny Fiangonana, dia izy izany no renintsika : “Mino ny Fiangonana ho Reny miteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao isika, fa tsy amin’ny Fiangonana tahaka ny hoe izy no tompon’antoky ny famonjena antsika”[187]. Satria izy no renintsika, dia izy koa izany no mpanabe ny finoantsika. II. Ny fiteny ilazana ny finoana 170. Tsy amin’ny rijan-teny no inoantsika, fa amin’ny zavatra tena izy izay ambarany, ary ny finoana no ahafahantsika “mahatsapa” izany. “Tsy mijanona fotsiny amin’ny filazana, ny asan’(ny finoan’)ny mpino, fa mipaka hatrany amin’ny zavatra tena izy (lazaina)”[188]. Kanefa, ireny zavatra tena izy ireny dia atonintsika amin’ny alalan’ireo rijan-teny namintinana ny finoana. Ireo rijan-teny ireo kosa no ahafahana maneho sy mampita ny finoana, mankalaza azy eo amin’ny ankohonam-piangonana, mitsakotsako azy sy mivelona aminy bebe kokoa.171. Ny Fiangonana, izay “andry sy tohan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia mitahiry araka ny tena izy ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina[189]. Izy no mitahiry ny fahatsiarovana ny Tenin’i Kristy, izy no mampita amin’ny taranaka mifandimby ny fiekem-pinoan’ny apôstôly. Tahaka ny ampianaran’ny reny ny zanany hiteny, ary amin’izany koa no ampianarany hahazo izay lazainy sy hampita izany, no ampianaran’ny Fiangonana Renintsika antsika ny fiteny ilazana ny finoana mba hampiditra antsika ao amin’ny fahalalana ny finoana sy ny fiainana izany. 172. Ny Fiangonana, hatramin’izay taonjato nifandimby izay, amin’ny alalan’ny fiteny maro, kolontsaina maro, vahoaka ary firenena maro, dia tsy mitsahatra manambara ampahibemaso ny finoany tokana, noraisina tamin’ny Tompo iray, nampitaina tamin’ny Batemy iray, mifaka ao anatin’ny fiekena tanteraka fa ny olombelona rehetra dia tsy manana afa-tsy Andriamanitra iray sady Ray[190]. I Md Irénée de Lyon, vavolombelon’izany finoana izany, dia manambara hoe :173. “Satria, ny Fiangonana, na dia miely amin’ny tany tontolo ka tonga hatrany amin’ny fara vazan-tany aza, noho izy nandray ny finoana avy amin’ny apôstôly sy avy amin’ny mpianatr’izy ireo (…), dia mitahiry izany fitoriana izany sy izany finoana izany amim-pitandremana, toy ny hoe tsy mipetraka afa-tsy amin’ny trano iray ihany, mino izany amin’ny fomba mitovy, toy ny hoe tsy manana afa-tsy fanahy iray ihany sy fo iray ihany, ary dia mitory izany, mampianatra izany, miombom-peo amin’ny fampitana izany, toy ny hoe tsy manana afa-tsy vava iray ihany”[191]. 174. “Satria, na samy hafa aza ny fiteny manerana ny tany, ny zava-boarakitry ny Lovam-pampianarana dia iray ihany ary mitovy tsy misy valaka. “Ary na ny Fiangonana miorina any Germanie, na ireo izay any amin-dry zareo Ibères, na ireo izay any amin-dry zareo Celtes, na ireo any Atsinanana, any Ejipta, any Libia, na ireo izay miorina eo afovoan’izao tontolo izao, dia tsy manana finoana hafa na Lovam-pampianarana hafa …”[192] “Marina sy mafy orina àry ny hafatry ny Fiangonana, satria ao aminy no isehoan’ny lalam-pamonjena tokana manenika an’izao tontolo izao”[193].175. “Tandremantsika fatratra io finoana izay noraisintsika tamin’ny Fiangonana io, satria noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka ny tahiry sarobidy voahidy ao anatin’ny tavoara tsara, dia tsara ny manavao sy manatanora tsy an-kijanona an’ilay tavoara mirakitra izany”[194].
FAMINTINANA 176. Ny finoana dia firaiketan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany. Izany dia miaraka amin’ny firaiketan’ny saina aman-tsitrapo amin’ny Fanambaràna nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo asany sy ireo teniny. 177. Misy roa àry ny endrika isehoan’ny “mino” : amin’ny olona sy amin’ny fahamarinana ; amin’ny fahamarinana noho ny fitokiana an’ilay olona izay milaza marina an’izany. 178. Tsy tokony hino hafa afa-tsy Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina isika. 179. Fanomezana mihoatra ny natoraly avy amin’Andriamanitra ny finoana. Mila ny fanampiana anaty avy amin’ny Fanahy Masina ny olona, mba hino. 180. Ny “mino” dia asan’ny olombelona, mahatsiaro tena sy afaka, izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona. 181. Ny “mino” dia asan’ny Fiangonana. Ny finoan’ny Fiangonana no mialoha, miteraka, mitondra ary mamelona ny finoantsika. Ny Fiangonana no renin’ny mpino rehetra. “Tsy misy afaka manana an’ Andriamanitra ho Ray raha tsy manana ny Fiangonana ho reny”[195]. 182. “Mino izay rehetra raketin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia izay noraketina an-tsoratra na nampitaina am-bava, ary izay atolotry ny Fiangonana hinoana fa nambaran’Andriamanitra”[196]. 183. Ilaina ho amin’ny famonjena ny finoana. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no manamafy izany fa : “Izay hino ka hatao batemy, dia ho voavonjy ; izay tsy hino, dia hohelohina” (Mk 16,16). 184. “Ny finoana dia santatry ny fahalalana izay hahatonga antsika ho sambatra any amin’ny fiainan-ko avy”[197].
[1] FAA 19, § 1.
[2] FAA 19, § 1.
[3] jer. FAA 19-21.
[4] jer. Mt 13,22.
[5] jer. Jen 3,8-10.
[6] jer. Jôn 1,3.
[7] Md Augustin, conf. 1, 1, 1.
[8] jer. Asa 14,15.17; 17,27-28; Fah 13,1-9.
[9] Serm. 241, 2.
[10] FAA 18, § 1; jer. koa 14, § 2.
[11] Md Thomas d’A., s. th. 1, 1.2 ou 3.
[12] Kôns. Vatikana I : DS 3004; jer. koa 3026; FA 6.
[13] Pie XII, enc. Humani Generis : DS 3875.
[14]
Ibid. : DS 3876; jer. koa Kôns. Vatikana I : DS 3005; FA 6; Md Thomas d’A., s. th. 1,1,1,1.
[15] Litorzian’i Md Jean Chrysostome, Anaphore.
[16] Kôns. Latran IV : DS 806.
[17] Md Thomas d’A., s. gent. 1, 30.
[18] Md Augustin, conf. 10, 28, 39.
[19] jer. Kôns. Vatikana I : DS 3026.
[20] FAA 36.
[21] jer. Kôns. Vatikana I : DS 3015.
[22] FA 2.
[23] jer. Efez 1,4-5.
[24] FA 2.
[25] Haer. 3, 20, 2 ; jer. ohatra haer. 3, 17, 1; 4, 12, 4; 4, 21, 3.
[26] FA 3.
[27] FA 3.
[28] MR, vavaka fisaorana faha-IV, 118.
[29] jer. Jen 9,9.
[30] jer. Jen 10,20-31.
[31] jer. Asa 17,26-27.
[32] jer. Fah 10,5.
[33] jer. Jen 11,4-6.
[34] jer. Rôm 1,18-25.
[35] jer. Lk 21,24.
[36] jer. Jen 14,18.
[37] jer. Heb 7,3.
[38] jer. Gal 3,8.
[39] jer. Rôm 11,28.
[40] jer. Jo 11,52; 10,16.
[41] jer. Rôm 11,17-18.24.
[42] jer. FA 3.
[43] jer. Eks 19,6.
[44] MR, Zomà Masina 13 : ranombavaky ny mpino VI.
[45] jer. Joany Paoly II, « Allc. nella synagoga », 4.
[46] jer. Iz 2,2-4.
[47] jer. Jer 31,31-34; Heb 10,16.
[48] jer. Ezek 36.
[49] jer. Iz 49,5-6; 53,11.
[50] jer. Sôf 2,3.
[51] jer. Lk 1,38.
[52] FA 2.
[53] Carm. 2,22.
[54] FA 4.
[55] jer. Jen 3,15.
[56] jer. Jen 9,16.
[57] jer. Jo 14,6.
[58] FA 7.
[59] FA 7.
[60] FA 7.
[61] FA 7.
[62] FA 8.
[63] FA 8.
[64] FA 8.
[65] FA 8.
[66] FA 9.
[67] FA 9.
[68]
Ibid.
[69] jer. 1 Tim 6,20; 2 Tim 1,12-14.
[70] FA 10.
[71] FA 10.
[72] FA 10.
[73] jer. FF 20.
[74] jer. Jo 8,31-32.
[75] jer. Kôns. Vatikana I : DS 3016 : nexus mysteriorum ; FF 25.
[76]EK 11.
[77] jer. 1 Jo 2,20.27.
[78] jer. FF 12.
[79] FF 12.
[80] FA 8
[81] FAA 62, § 7; jer. koa 44, § 2; FA 23; 24; EK 4.
[82] FA 8.
[83] Md Grégoire le Grand, hom. Ez. 1, 7, 8.
[84] FA 8.
[85] FA 10, § 3.
[86] FA 10.
[87] FA 8.
[88] FA 13.
[89] jer. Heb 1,1-3.
[90] Md Augustin, Psal. 103, 4, 1.
[91] jer. FA 21.
[92] jer. FA 24.
[93] jer. 1 Tes 2,13.
[94] FA 21.
[95] FA 11.
[96] FA 11.
[97] FA 11.
[98] Md Bernard, hom. miss. 4, 11.
[99] Lk 24,45.
[100] jer. FA 12, § 1.
[101] FA 12, § 2.
[102] FA 12, § 3.
[103] jer. FA 12, § 3.
[104] jer. Lk 24,25-27.44-46.
[105] jer. Sal 22,15.
[106] jer. Md Thomas d’A., Psal. 21,11.
[107] jer. Md Hilaire de Poitiers, Const. 9; Md Jérôme, ep. Gal. 1,1, 11-12.
[108] Origène, hom. in Lev. 5,5.
[109] jer. Rôm 12,6.
[110] Md Thomas d’A., s. th. 1, 1, 10, ad 1.
[111] jer. 1 Kôr 10,2.
[112] jer. Heb 3 - 4,11.
[113] jer. Apôk 21,1 - 22,5.
[114] Augustin de Dace, rot. I.
[115] FA 12,3.
[116] Md Augustin, fund. 5, 6.
[117] jer. FA 8, 3.
[118] jer. DS 179-180; 1334-1336; 1501-1504.
[119] jer. FA 14.
[120] FA 15.
[121] FA 17.
[122] jer. FA 20.
[123] FA 18.
[124] FA 19.
[125] Mb Césarie la Jeune, Rich.
[126] Mb Thérèse de l'Enfant-Jésus, ms. autob. A 83v.
[127] jer. 1 Kôr 10,6.11; Heb 10,1; 1 Pi 3,21.
[128] jer. Mk 12,29-31.
[129] jer. 1 Kôr 5,6-8; 10,1-11.
[130] Md Augustin, Hept. 2,73; jer. koa FA 16.
[131] FA 21.
[132] FA 22.
[133] FA 24.
[134] FA 25; jer. koa Md Jérôme, Is. prol.
[135] Hugues de Saint-Victor, Nôe 2, 8.
[136] FA 24.
[137] FA 11.
[138] jer. Origène, hom. in Ex. 4,5.
[139] FA 21.
[140] jer. Iz 50,4.
[141] FA 2.
[142] jer. FA 5.
[143] jer. Rôm 1,5; 16,26.
[144] jer. Jen 12,1-4.
[145] jer. Jen 23,4.
[146] jer. Heb 11,17.
[147] jer. Jen 15,6.
[148] jer. Jen 15,5.
[149] jer. Jen 18,14.
[150] jer. Lk 1,48.
[151] jer. Lk 2,35.
[152] jer. Jer 17,5-6; Sal 40,5; 146,3-4.
[153] jer. Mk 1,11.
[154] jer. Mk 9,7.
[155] jer. Mt 11,27.
[156] jer. Gal 1,15-16; Mt 11,25.
[157] FA 5.
[158] Kôns. Vatikana I : DS 3008.
[159] Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 2, 9; jer. koa Kôns. Vatikana I : DS 3010.
[160]
Ibid., DS 3008.
[161]
Ibid., DS 3009.
[162] jer. Mk 16,20; Heb 2,4.
[163]jer. Kôns. Vatikana I : DS 3009.
[164]
Ibid., DS 3010.
[165] Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 171, 5, obj. 3.
[166] Newman, apol.
[167] Md Aselme, prosl. prooem.
[168] FA 5.
[169] Serm. 43, 7, 9.
[170] Kôns. Vatikana I : DS 3017.
[171] FAA 36, § 2.
[172] DH 10; jer. koa CIC, can. 748, § 2.
[173] DH 11.
[174] DH 11.
[175] jer. Mk 16,16; Jo 3,36; 6,40 snm.
[176] Kôns. Vatikana I : DS 3012; jer. koa Kôns. Trente : DS 1532.
[177] jer. Mk 9,24; Lk 17,5; 22,32.
[178] jer. Jak 2,14-26.
[179] jer. Rôm 15,13.
[180] Md Basile, Spir. 15,36; jer. koa Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 4, 1.
[181] FF 58.
[182] Joany Paoly II, RM 17.
[183]
Ibid., RM 18.
[184] Sembolin’ny Apôstôly.
[185] Sembolin’i Nicée-Constantinople, amin’ny teny grika.
[186] OICA 75 sy 247.
[187] Faustus de Riez, Spir. 1, 2.
[188] Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 1, 2, ad 2.
[189] jer. Joda 1,3.
[190] jer. Efez 4, 4-6.
[191] Haer. 1, 10, 1-2.
[192]
Ibid., 1, 10, 2.
[193]
Ibid., 5, 20, 1.
[194]
Ibid., 3, 24, 1.
[195] Md Cyprien, unit. eccl.
[196] SPF 20.
[197] Md Thomas d’A., comp. 1, 2.
[198] DS 30.
[199] DS 150.
|
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||