The Holy See
back up
Search
riga

TOKO VOALOHANY

« Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo »

 

2083. Nofintinin’i Jesoa amin’ity teny ity ireo adidin’ny olombelona amin’ Andriamanitra : “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo ianao” (Mt 22,37)[1]. Io teny io moa dia mamerina izao dia izao avy hatrany ilay antso manetriketrika hoe : “Mihainoa, ry Israely : ny Tompo Andriamanitsika no ilay tokana” (Det 6,4).

Andriamanitra no tia voalohany. Tsahivina ao amin’ny voalohany amin’ireo “teny folo” ny fitiavan’ilay Andriamanitra Tokana. Avy eo ireo didy no mampibaribary ny valim-pitiavana fa voantso hanome izany amin’ilay Andriamaniny ny olombelona.

 

ANDALANA 1

Ny didy voalohany

 

Izaho no Tompo, Andriamanitrao, izay namoaka anao tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny trano fanandevozana. Tsy hanana andriamanitra hafa afa-tsy Izaho ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra na dia iray akory aza ianao ho an’ny tenanao, na sary fampisehoana zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny ety amin’ny tany ambany, na ny ao anaty rano ambamin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anoloan’ireny sary ireny ianao na hanompo azy ireny (Eks 20,2-5)[2].

Voasoratra hoe : “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Mt 4,10).

 

I. “Hitsaoka ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary hanompo Azy” 

2084.Mampahalala ny Tenany Andriamanitra amin’ny fampahatsiahivana ny asany manan-kery tsy misy fetra, feno fahalemem-panahy ary manafaka eo amin’ny tantaran’ilay izay itenenany hoe : “Izaho no nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta, toerana nanandevozana anao” (Det 5,6). Mirakitra ny didy voalohany amin’ny Lalàna ny teny voalohany : “Hitsaoka ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary hanompo Azy ianao. (…) Tsy hanaraka andriamanitra hafa ianareo” (Det 6,13-14). Ny antso voalohany sy ny fitakiana araka ny rariny sy ny hitsiny ataon’ Andriamanitra dia ny handraisan’ny olombelona Azy sy ny hitsaohana Azy. 

2085.Manambara ny voninahiny amin’i Israely aloha ilay Andriamanitra tokana sady marina[3]. Mifamatotra amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ny fanambaràna ny fiantsoana ny olombelona sy ny fahamarinany. Ny olombelona dia manana ny fiantsoana haneho an’Andriamanitra amin’ny asa amam-pihetsiny mifanaraka amin’ny nahariana azy “mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra” (Jen 1,26) :

Tsy hisy na oviana na oviana Andriamanitra hafa, Tryphon, ary tsy nisy hafa, hatramin’ny taonjato mifandimby (…) afa-tsy ilay izay nanao sy nandamina an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao. Tsy mihevitra izahay fa samy hafa amin’ny anareo ny Andriamanitray. Izy io ihany no namoaka ny rainareo avy tao Ejipta “tamin’ny tanany mahery sy ny sandriny nahinjitra”. Tsy mametraka ny fanantenanay amin’ny hafa izahay, izay tsy misy izany akory, fa ao amin’ilay mitovy amin’ny anareo ihany, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama, i Isaaka ary i Jakôba[4].

2086. "Mirakitra ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ny voalohany amin’ireo didy. Satria, izay miteny hoe Andriamanitra, dia miteny fisiana maharitra, tsy miovaova, mitovy lalandava, tsy mivadika, marina tanteraka tokoa. Koa izany indrindra no tsy maintsy anekentsika ny Teniny sy ananantsika finoana sy fitokiana tanteraka ao Aminy. Mahefa ny zavatra rehetra Izy, mamindra fo, mahavokatra soa tsy misy fetra. Iza no tsy hametraka ny fanantenany rehetra ao Aminy ? Ary iza no tsy ho tia Azy amin’ny fandinihana ny rakitry ny hatsaram-po sy fahalemem-panahy izay narotsany tao amintsika ? Avy amin’izany no ampiasan’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina, na eo am-panombohana izany, na eo am-pamaranana ireo didiny, ity rijan-teny ity hoe : Izaho no Tompo”[5].

Ny finoana 

2087.Amin’ny finoana an’Andriamanitra izay manambara ny fitiavany tamintsika no ahitan’ny fiainantsika ara-môraly ny loharano ipoirany. Lazain’i Md Paoly fa ny “fanekena ny finoana” (Rôm l,5; l6,26) no adidy aman’andraikitra voalohany. Ampahafantariny fa ny “tsy fahalalana an’Andriamanitra” no fototra sy anton’ny faharatsiam-pitondran-tena rehetra[6]. Ny adidintsika amin’Andriamanitra dia ny mino Azy sy ny mijoro ho vavolombelony.

2088.Ny didy voalohany dia mitaky amintsika ny hamelona sy hiaro amim-pahamalinana sy amim-piambenana ny finoantsika ary hanary izay rehetra mifanohitra amin’izany. Misy karazany samihafa ny fahotana manohitra ny finoana :

Ny fisalasalana an-tsitrapo momba ny finoana, izay fanaovana an-tsirambina na fandavana ho marina izay nambaran’Andriamanitra sy izay atolotry ny Fiangonana hinoana. Ny fisalasalana tsy an-tsitrapo, izay mampiseho ny fihambahambana hino, ny fahasahiranana handresy ny sakana momba ny finoana na koa ny tebiteby ateraky ny fahamaizinan’ny finoana. Raha iniana itaizana ny saina ny fisalasalana, dia mety hitarika amin’ny fahajamban’ny fanahy. 

2089.Ny tsy fetezana hino, izay fanaovana an-tsirambina ny marina nambara na fandavana an-tsitrapo ny hankato izany.  “Ny fampianaran-diso momba ny finoana, izay fandavana arahina di-doha, aorian’ny nandraisana ny Batemy, ny fahamarinana izay tokony itokiana amin’ny finoana an’ Andriamanitra sy ny finoana katôlika, na ny fisalasalana arahina di-doha ny amin’izany fahamarinana izany. Ny fivadiham-pinoana, izay fanariana manontolo ny finoana kristianina. Ny fisaraham-pinoana, izay fandavana hankato ny Papa na tsy hiombona amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay manaiky azy”[7].

Ny fanantenana    

2090. Raha nanambara ny Tenany sy niantso ny olombelona aza Andriamanitra, dia tsy afaka hanome valiny manontolo ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona. Koa tsy maintsy manantena izy fa Andriamanitra no hanome azy ny herim-pahazoany mamaly fitia Azy amin’ izany, sy ny hery hanaovany ny asa amam-pihetsika mifanaraka amin’ny didim-pitiavany. Ny fanantenana dia fiandrasana amim-pitokiana ny fanambinan’ Andriamanitra sy ny fahitana Azy amim-pahasambarana ; ny fanantenana koa dia tahotra ny haniratsira ny fitiavan’Andriamanitra sy ny sazy mafy aterany.

2091. Mahakasika koa ny fahotana manohitra ny fanantenana, ny didy voalohany, dia ny fanarian-toky sy ny fitokian-tena mihoa-pampana : 

Ny fanarian-toky no mahatonga ny olona tsy manantena intsony ny famonjen’Andriamanitra ny tenany, sy ny fitahiany mba hahazoana izany na ny famelany ny fahotana. Manohitra ny Hatsaram-pon’Andriamanitra sy ny Fahamarinany - satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany ny Tompo - ary ny Famindram-pony izany. 

2092. Ny fitokian-tena mihoa-pampana, izay misy karazany roa : Na ny olona miantehitra irery amin’ny herim-pahaizany (amin’ny fanantenana fa ho afaka mamonjy tena tsy misy fanampiana avy any ambony), na izy diso miantehitra amin’ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra na ny famindram-pony (amin’ny fanantenana fa hahazo ny famindram-pony tsy mila fibebahana sy ny voninahitra tsy mila fahamendrehana ahazoam-balisoa).

Ny fitiavana

2093.Ny finoana ao anatin’ny fitiavana an’Andriamanitra no ifonosan’ny antso sy ny adidy hamaly fitia an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana amin’ny fo madio. Ny didy voalohany no mandidy antsika ho tia an’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ho tia ny zavaboary rehetra ho Azy sy noho Izy[8].

2094.Afaka manota amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, amin’ny fomba maro samihafa, ny olona. Toy izao avy izany : Ny tsy firaharahana, izany hoe ny manao tsinontsinona ny fitiavan’Andriamanitra na manamaivan-danja izany, hany ka tsy hahazoany hafaliana ny fitiavan’Andriamanitra sy toy ny tsy misy hery aminy. Ny tsy fankasitrahana, izany hoe ny manadino na ny mandà hankato ny fitiavan’Andriamanitra sy ny mandà hamaly fitia Azy. Ny fangatsiaham-po, izany hoe ny fisalasalana na ny fanaovana an-tsirambina amin’ny famaliana fitia an’Andriamanitra; mety hitarika ny fandavana hanolo-tena hoentanim-pitiavana izany. Ny rikorikom-panahy na hakamoam-panahy, izany hoe fandavana ny hafaliana avy amin’ Andriamanitra sy fandraisana ho zava-mahatsiravina ny soa avy Aminy. Ny fankahalana an’Andriamanitra avy amin’ny fiavonavonana. Manohitra ny fitiavan’Andriamanitra io fankahalana io, mandà ny hatsaram-panahy ary mitetika ny hanozona Azy noho Izy mandrara ny fahotana sy manafay amin’ny sazy. 

II. “Aminy irery no hivavahanao”

2095.Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny finoana, ny  fanantenana ary ny fitiavana, no mampahalala sy mamelona ny herim-panahy enti-mitondra tena. Araka izany, ny fitiavana no mahatonga antsika hanolotra amin’Andriamanitra izay tsy maintsy hataontsika Aminy araka ny rariny amin’ny maha-zavaboary antsika. Ny herim-panahy enti-mivavaka no mandrisika antsika amin’izany fihetsika atao izany.

Ny fitsaohana

2096.Amin’ny herim-panahy enti-mivavaka, ny fitsaohana no asa atao voalohany. Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny manaiky Azy ho Andriamanitra, ho Mpahary sy Mpamonjy, ho Tompo sy Mpandidy an’ izay rehetra misy, ho Fitiavana tsy misy fetra sy be indrafo. “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Lk 4,8 ), hoy i Jesoa,  namerina ny tenin’ny Deterônômy (Det 6,13). 

2097. Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny mahalala, ao anatin’ny fanajana sy ny fankatoavana tanteraka, “ny maha-tsinontsinona ny zavaboary” izay tsy misy raha tsy avy amin’Izy Andriamanitra. Ny mitsaoka an’Andriamanitra, dia ny manao tahaka an’i Maria, amin’ny Tonon-kirany (Magnificat), midera Azy, mankalaza Azy, sy manetry tena amin’ny fiekena sy fankasitrahana fa nanao zava-dehibe Izy ary masina ny anarany[9]. Ny fitsaohana an’ Andriamanitra tokana no manafaka ny olombelona amin’ny fiforetana amin’ny tenany ihany, amin’ny fanandevozan’ny fahotana ary amin’ny fanompoan-tsampin’izao tontolo izao.

Ny fivavahana 

2098. Tanteraka amin’ny fivavahana ny asan’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izay baikoin’ny didy voalohany. Ny fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra dia fomba iray amin’ny fitsaohantsika an’ Andriamanitra : vavaka fiderana sy fisaorana, fifonana sy fangatahana. Fomba fiainana tsy azo avela ny fivavahana mba hahafahana manaiky ny didin’Andriamanitra. “Tsy maintsy mivavaka lalandava, ary tsy tokony ho valaka sy tofoka na oviana na oviana” (Lk 18,1).

Ny sorona

2099. Rariny sy hitsiny ny manolotra sorona amin’Andriamanitra ho famantaram-pitsaohana sy fankasitrahana, fitalahoana sy fiombonana : “Sorona marina tokoa ny asa rehetra atao mba hiraiketana amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fiombonana masina sy mba ho sambatra”[10].

2100.  Mba ho tena izy ny sorona hita maso, dia tsy maintsy ho fanehoana ny sorona ara-panahy : “Fanahy torotoro no sorona atolotro....” (Sal 51,19). Ny mpaminanin’ny Fanekem-pihavanana Taloha dia matetika nanome tsiny ny sorona natao tsy misy fandraisana anjara ao anaty[11] na tsy misy fifamatorana amin’ny fitiavana ny namana[12]. Nampahatsiahy ny tenin’i Ôsea mpaminany i Jesoa hoe : “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona” (Mt 9,13 ; 12,7)[13]. Ny hany sorona lavorary dia izay natolotr’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana ho fanolorana manontolo amin’ny fitiavana ny Ray sy ho famonjena antsika[14]. Ny firaisantsika amin’ny sorona natolony no hahafahantsika manao ny fiainantsika ho sorona ho an’Andriamanitra.

Fanomezan-toky sy voady

2101.Ny kristianina, amin’ny fisehon-javatra maro, dia voantso hanao fanomezan-toky amin’Andriamanitra. Ny Batemy sy ny Fankaherezana, ny Fanambadiana sy ny Filaharana masina dia misy izany lalandava. Amin’ny fitiavam-bavaka manokana, afaka manome toky an’Andriamanitra koa ny kristianina, na amin’ny asa izany, na amin’ny fivavahana, na amin’ny fiantrana, na amin’ny fivahiniana masina, sns. Ny tsy fivadihana amin’ny fanomezan-toky natao tamin’Andriamanitra no fanehoam-panajana tsy maintsy atao amin’ny Fiandrianan’ Andriamanitra sy amin’ny fitiavana Azy tsy mivadika.

2102.“Ny voady, izany hoe ny fanomezan-toky amin’ny nahim-po sy amin-kalalahana atao amin’Andriamanitra amin’ny tsara azo atao sy tsaratsara kokoa dia tsy maintsy tanterahina amin’ny anaran’ny herim-panahy enti-mivavaka”[15]. Ny voady dia asa fitiavam-bavaka izay anokanan’ny kristianina ny tenany amin’Andriamanitra na ampanantenany Azy hanao asa soa iray. Noho izany, ny fanatanterahan’ ny kristianina ny voadiny no amerenany amin’Andriamanitra izay nampanantenainy Azy sy natokany ho Azy. Ny Asan’ny Apôstôly dia mampiseho amintsika an’i Md Paoly miahy ny fanatanterahana ny voady izay nataony[16].

2103.Eken’ny Fiangonana ny soatoavina fakan-tahaka amin’ny voady hampiharana ireo torohevitry ny Evanjely[17] :
Mifaly ny Fiangonana Renintsika eo am-pahitana fa ao aminy dia betsaka ny lehilahy sy ny vehivavy te-hanara-dia akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy, sy te-haneho mazavazava kokoa ny fanetren-tenan’ny Mpamonjy, amin’ny fiainana ny fahantrana ao anatin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra, sy  amin’ny fandavana ny sitrapon’ny tena ; tsy iza izany fa ireo lehilahy sy ireo vehivavy manaiky hofehezin’olona araka an’Andriamanitra, eo am-pikatsahana ny fahalavorariana mihoatra noho izay takìn’ny didy, mba hanahaka tanteraka tokoa an’i Kristy fatra-panaiky [18].

Amin’ny toe-javatra sasany, azon’ny Fiangonana atao, amin’ny antony voalanjalanja, ny manafaka ny voady sy ny fanomezan-toky[19].

Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana

2104. “Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana, indrindra amin’izay mahakasika an’Andriamanitra sy ny Fiangonany ; ary rahefa mahafantatra izany izy ireo, dia hisafidy izany ka tsy hivadika aminy”[20]. Avy “amin’ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olona mihitsy”[21] io adidy io. Tsy manohitra ny “fanajana amin-kitsim-po” ho an’ireo antokom-pivavahana samihafa anefa izany, “izay matetika mitondra tsiri-pahamarinana manazava ny olona rehetra”[22] ;tsy manohitra koa ny takìn’ny fitiavana izay manery ny kristianina “hanao asa amam-pihetsika ombàn’ny fitiavana, ny fahamalinana ary ny faharetana, eo anatrehan’ireo izay tafalatsaka ao anatin’ny hevi-diso na ao anatin’ny tsy fahalalana ny finoana”[23].

2105. Ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra dia mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina. Izany no “fitambaram-pampianarana katôlika nampitain’ny lovantsofina, momba ny adidy ara-môraly ho efain’ny olona sy ny fiaraha-monina ny amin’ny fivavahana marina sy ny Fiangonana tokan’i Kristy”[24]. Amin’ny fitoriana tsy an-kijanona ny Evanjely amin’ny olombelona, dia miasa ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo “mampiditra hevitra kristianina amin’ ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena, ny lalàna sy ny rafitry ny fiaraha-monina izay iainan’izy ireo”[25]. Ny adidy ara-piaraha-monin’ny kristianina dia ny manaja sy ny mitandrina ao amin’ny olona tsirairay ny fitiavana ny marina sy ny tsara. Takìna amin’izy ireo ny hampahalala ny fanompoam-pivavahana tokana sy marina izay misy ao amin’ny Fiangonana katôlika sy apôstôlika[26]. Voantso ho fahazavan’izao tontolo izao ny kristianina[27]. Amin’izany ny Fiangonana no maneho ny fanjakan’i Kristy amin’ny voary manontolo, ary singanina manokana ny eo amin’ny fiaraha-monin’ny olombelona[28].

2106. “Raha ny amin’ny fivavahana, na iza na iza tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika manohitra ny kônsiansiny, na sakanana tsy hiasa, ao anatin’ny fetra ara-drariny, hanaraka ny kônsiansiny amin’ny fiainana manokana na amin’ny fiainana ampahibemaso, irery na miaraka amin’ny hafa”[29]. Zo miorina amin’ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olona mihitsy izany, ka ny fahamendrehana no mampifikitra azy amin-kalalahana amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mihoatra ambony dia ambony noho ny rafitra mora levona. Noho izany, io zo io dia “maharitra na dia eo amin’ireo izay tsy manefa ny adidy hikatsaka ny fahamarinana sy hifikitra amin’izany aza”[30].

2107. “Raha toa misy anton-javatra manokana miseho eo amin’ny vahoaka, ka nahazo fankatoavana manokana ara-panjakana,tamin’ny alalan’ny didim-pitsaràna eo an-toerana, ny fiorenan’ny antokom-pinoana iray, dia ilaina indrindra amin’ izay fotoana izay, ho an’ny olom-pirenena sy ny fikambanana rehetra ara-pinoana, ny mba hanekena sy hanajana ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana”[31].

2108.Ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana dia tsy hoe fahazoan-dalana ara-môraly hanaraka hevi-diso[32], na zo hamorona hevi-diso[33], fa zo voa-Janahary maha-olona ny olona ho amin’ny fahafahan’olon-tsotra, izany hoe ho amin’ny fiarovan’ny lalàna avy amin’ny fahefam-pitondram-panjakana eo anatrehan’ny fanerena avy ety ivelany, ao anaty fetra ara-drariny, ny amin’ny fivavahana. Tsy maintsy ekena ho anisan’ny lalàm-panjakana eo amin’ny tany ama-monina io zo voa-Janahary io, araka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpiara-monina[34].

2109. Azo asiana fetra ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana[35], saingy tsy ferana amin’ny “didim-panjakana” novolavolaina tamin’ny fandinihana ara-java-misy fotsiny na ara-javaboary fotsiny[36]. Ny “fetra ara-drariny” izay tsy misaraka aminy dia tokony ho voafaritry ny fahendrena pôlitika amin’ny fipetraky ny toe-javatra tsirairay eo amin’ny fiaraha-monina, araka izay takìn’ny soa iombonana, sy eken’ny mpitondra firenena araka ny “lalàna mitandro ny zon’olombelona sy ny lalàm-pitondran-tena marina”[37].

III. “Tsy hanana andriamanitra hafa eo anatrehako ianao”

2110.Ny didy voalohany dia mandrara ny fanajana andriamanitra hafa afa-tsy ny Tompo Tokana izay nanambara ny Tenany tamin’ny vahoakany. Mandrara ny finoanoam-poana sy ny faniratsiram-pivavahana izy. Ny finoanoam-poana dia mampiseho amin’ny fomba ratsy mihoa-pampana mikasika ny fivavahana ; ny faniratsiram-pivavahana dia haratsiam-panahy mifanohitra amin’ny hatsaram-panahin’ny fivavahana.

Ny finoanoam-poana

2111.Ny finoanoam-poana dia fivaonan’ny fiheverana momba ny fivavahana sy ny fahazotoa-mivavaka didiany hatao. Mety hahavoa koa ny fanompoam-pivavahana ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina izany, ohatra, rahefa heverin’ny olona ho toy ny hery mazika ireny fomba amam-pihetsika sasany mikasika ny fivavahana ireny, ankoatra ny maha-ara-dalàna sy ny maha-tsy azo avela azy ireny. Ny mampifandray ny hery mahefa ananan’ny vavaka amin’ny fanaovana azy fotsiny na amin’ny famantarana ara-tsakramenta, ivelan’ny toe-panahy anaty takìn’izy ireny, dia mianjera ao anatin’ny finoanoam-poana[38].

Ny fanompoan-tsampy 

2112.Melohin’ny didy voalohany ny finoana an’andriamanitra maro. Takìny mba tsy hino andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra ny olona, mba tsy hanasina andriamanitra tsy izy hafa afa-tsy ilay Tokana. Ny Soratra Masina dia mampahatsiahy lalandava io fandavana ny “sampy, volamena sy volafotsy, asan-tanan’olombelona” io, izy ireny izay “manam-bava nefa tsy miteny, mana-maso nefa tsy mahita”... Tsy mahasoa kely akory ireny sampy tsinontsinona ireny : “Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy !” (Sal 115,4-5.8)[39]. Andriamanitra, hafa lavitra noho izany kosa, no ilay “Andriamanitra velona” (Jôs 3,10)[40], izay mamelona sy mirotsaka eo amin’ny tantara. 

2113.Tsy mikasika fotsiny ny fanompoam-pivavahana diso ataon’ny mpanompo sampy ny fanompoan-tsampy. Mijanona ho fakam-panahy lalandava amin’ ny finoana izy. Mifototra amin’ny fanaovana ho Andriamanitra an’izay tsy Andriamanitra izy. Misy ny fanompoan-tsampy manomboka amin’ny fotoana anomezan’ny olona voninahitra sy anajany fatratra ny zavaboary iray ho solon’Andriamanitra, ka mety ho andriamanitra kely izany na mety ho demony (ohatra : ny fanompoana an’i Satana sy ny ratsy), mety ho fahefana, mety ho fahafinaretana, mety ho firazanana, mety ho razana, mety ho Fitondram-panjakana, mety ho vola, sns... “Tsy afaka hanompo an’Andriamanitra sy i Mammon ianareo”, hoy i Jesoa (Mt 6,24). Martiry maro be no maty noho izy ireo tsy niankohoka tamin’ “ilay Biby”[41], na dia ny haneho amin’ny sarim-panompoana azy ihany aza. Mitsipaka ny maha-Tompo tokana an’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy, noho izany, tsy mety mifanaraka amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra[42].

2114.Mikambana amin’ny fitsaohana an’ilay Tokana ny fiainan’ny olombelona. Ny didy mba hitsaoka ny Tompo tokana dia mahatsotra ny olona sy miaro azy amin’ny fiparitahana tsy misy farany. Faharatsiana manimba ny filan’ ny olona hivavaka izay efa tao aminy hatrany am-bohoka, ny fanompoan-tsampy. Ny mpanompo sampy dia ilay izay “mampirona ny fahalalany amin’izao zavatra rehetra tsy misy dikany izao, toy izay amin’ny fahalalana tsy mety levona momba an’Andriamanitra”[43].

Sikidy amam-panandroana sy mazia

2115.Afaka manambara ny hoavy amin’ny mpaminaniny na amin’ny olomasina hafa Andriamanitra. Kanefa ny toetra kristianina marina dia ny mametraka ny fitokiana ny ho avy eo ambany Fitahian’ Andriamanitra, ka miala amin’ ny fahalianan-kahalala rehetra manimba momba izany. Saingy ny tsy fitsinjovana ny hoavy kosa dia mety ho anisan’ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra.

2116.Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany : fangataham-bonjy amin’i Satàna na amin’ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho “mahalala” ny hoavy[44]. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin’ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin’ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin’ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin’ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin’ny mpamoha angatra ; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin’ny fotoana, eo amin’ny tantara ary farany eo amin’ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin’ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana an’Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin’ny fahatahorana Azy amim-pitiavana.

2117.Ny fomba amam-pihetsika rehetra fanaovana mazia na famosaviana, izay amin’ny alalan’ireny no hihamboan’ny olona hamolahany ny hery miafina mba hampiasany azy ireny sy hahazoany fahefana mihoatra ny herin’ olombelona eo amin’ny namana – mba hanomezana azy fahasalamana hono –, dia manohitra mafy ny herim-panahy enti-mivavaka. Mbola azo melohina mafimafy kokoa ireo fomba amam-pihetsika ireo rahefa ombàm-pikasana hanimbàna ny hafa na hangataham-pitahiana amin’ny fanampian’ ny demony. Ny fitondrana ody atao fiaro koa dia mahadiso. Ny famohazana angatra dia matetika mitarika fanaovana sikidy amam-panandroana na mazia. Koa mampitandrina ny mpino ny Fiangonana hiaro tena tsy ho azon’ireny. Ny fanatonana any amin’ny fitsaboana antsoina hoe nentim-paharazana dia tsy mahadiso raha tsy misy fiantsoana ny herin’ny ratsy, na fanararaotana ny mahamora mino ny hafa.

Ny faniratsiram-pivavahana

2118.  Manameloka ny fahotana fototry ny faniratsiram-pivavahana ny didy voalohany : ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy ary ny simônia. 

2119.  Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, dia ny fitsapan-toetra ny hatsaram-pony sy ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny teny  na amin’ ny atao. Tahaka izany no nirìn’i Satàna ho azo avy amin’i Jesoa hitsambikina avy eny an-Tempoly, sy hanery an’Andriamanitra hiasa amin’io fihetsika io[45]. Notoherin’i Jesoa izy tamin’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao” (Det 6,16). Ny fihantsiana raketin’ny fakàna fanahy an’Andriamanitra toy izany no manimba ny fanajana sy ny fitokiana tokony ataontsika amin’ny Mpahary antsika sy Tompontsika. Mampiditra lalandava ny fisalasalana ny amin’ny fitiavany, ny fitahiany ary ny heriny izany[46].

2120.Ny sakrilezy dia ny mametaveta na ny mandray tsy amim-pahamendrehana ny sakramenta sy ny asa litorzika hafa rehetra, tahaka izany koa ny olona, ny zavatra ary ny toerana natokana ho an’ Andriamanitra. Fahotana lehibe ny sakrilezy, indrindra rahefa atao amin’ny Eokaristia, satria amin’io sakramenta io, ny Tenan’i Kristy mihitsy no eo amintsika ara-pisia-maha-izy[47]

2121. Ny hoe simônia[48] dia fivarotana na fividianana zavatra ara-panahy. Tamin’ i Simôna mpanao mazia, izay naniry hividy ny fahefana ara-panahy hitany tamin’ny asa nataon’ireo apôstôly, dia novalian’i Piera hoe : “Vereza miaraka aminao ny volanao, fa sahy atakalonao vola ny fanomezan’ Andriamanitra” (Asa 8,20).  Izany dia nampifanarahany tamin’ny tenin’i Jesoa hoe: “Nomena maimaim-poana ianareo, ka manomeza  maimaim-poana” (Mt 10,8)[49].  Tsy azo atao ny mihambo ho tompon’ny soa aman-karena ara-panahy sy ny mitondra tena ho mpanana an’ireny na tompony, satria ao amin’Andriamanitra ny loharano ipoiran’ireny. Ny azon'ny olona atao dia ny mandray maimaim-poana an’ireny avy Aminy.

2122. “Ivelan’ny tolotra  nofaritan’ny mpitondra manapaka izany, ny mpandraharaha masina dia tsy hangataka na inona na inona ho amin’ny fitantanan-draharaha momba ny sakramenta, amin’ny fiahiana lalandava mba tsy noho ny tsy fananan’ireo olo-mahantra no hanakana azy ireo amin’ny famonjen’ny sakramenta”[50]. Ny mpitondra manapaka izany no mametra ireny “tolotra” ireny araka ny fitsipika fototra, mba ny vahoaka kristianina no tokony hiantoka ny famelomana ireo mpandraharaha masin’ny Fiangonana. Fa “mendrika ny karamany ny mpiasa” (Mt 10,10)[51].

Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra  

2123. “Betsaka amin’ny mpiara-belona amintsika no tsy mahatsapa velively na manohitra an-kitsirano tsotr’izao ny fifandraisana am-po lalina sy lehibe indrindra izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra, hany ka ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra no anisan’ireo zava-misy tena mamohehatra tokoa amin’izao androntsika izao”[52].

2124. Maro samihafa tokoa ny fisehon’ny endri-javatra mikasika ny antsoina hoe tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. Ny endrika miseho matetika amin’izany dia ny firehan-kevitry ny mpifikitra amin’ny ara-batana izay mametra ny filany sy ny firehetam-paniriany amin’ny fitoerana sy amin’ny fotoana. Ny fampianarana mandala ny maha-olombelona mpandà ny fisian’Andriamanitra dia mifikitra amin’ny hevi-diso fa “ho an’ny tenan’ny olombelona ihany ny tanjom-piainany, hany fototra mpanao sy zanahary kelin’ny tantarany”[53]. Ny endrika iray hafa miseho amin’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra ankehitriny dia ny miandry fanafahana ny olombelona amin’ny fanafahana ara-piharian-karena sy ara-tsôsialy izay “toherin’ny fivavahana, hono, satria raha mampanantena ny fiainan-ko avy ho an’ny olombelona ny fivavahana, dia sady mampanantena azy ny tsy misy no mamily azy tsy hanorim-ponenana eto an-tany”[54].

2125. Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny herim-panahy enti-mivavaka[55]. Mety hihena be dia be arakaraka ny fikasana sy ny fisehon-javatra ny maha-meloka avy amin’io fahadisoana io. Amin’ny fiforonan’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra sy ny fielezany, “mety hanana anjara  fahadisoana amin’izany ireo mpino, izay tsy azo atao hoe bitika, arakaraka, noho ny fanaovana an-tsirambina ny fanabeazana ara-pinoana, noho ny foto-pampianarana tsy ambara araka ny tena izy, ary koa noho ny fihenan’ ny herin’izy ireo amin’ny fiainana ara-pivavahana, ara-môraly ary ara-tsôsialy, izay azo lazaina fa anakonan’izy ireo ny tena endrik’ Andriamanitra marina sy ny finoana, fa tsy hampisehoan’izy ireo izany akory”[56].

2126. Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia matetika miorina amin’ny fisainana diso momba ny fahazakan-tenan’ny olombelona irery, izay tonga hatramin’ny fandavana ny fiankinana rehetra amin’ Andriamanitra[57]. Kanefa, “tsy manohitra velively ny fahamendrehan’ny olombelona ny fanekena an’Andriamanitra, satria ao amin’ Andriamanitra rahateo no misy an’io fahamendrehana io, ary Izy no manorina izany sy manatanteraka izany”[58].  Fantatry ny Fiangonana “fa mifanaraka amin’ny tsiambaratelo miafina ao am-pon’ny olombelona ny hafatra entiny”[59].

Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra 

2127. Endrika maro no isehoan’ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra. Amin’ny sehon-javatra sasany, tsy mandà an’Andriamanitra ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra ; mifanohitra amin’izany aza ny tadiaviny, dia ny fisian’ny olona iray mihoatra ny tsapa sy ny hita izay tsy afaka hampahafantatra ny tenany, ary tsy misy na iza na iza hahay hilaza izany. Amin’ny sehon-javatra hafa, ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra dia tsy manambara ny heviny momba ny  fisian’Andriamanitra, amin’ny filazana fa tsy vita ny manaporofo izany, ary tsy vita koa na ny manamarina na ny mandà izany.

2128. Indraindray ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra dia mety hirakitra fikatsahana an’Andriamanitra ihany, nefa koa mety hampiseho ny tsy firaharahana Azy, ny fihodivirana manoloana ny fanontaniana saro-baliana momba ny fisiany, ary ny fahalainan’ny kônsiansy môraly. Matetika tokoa ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra no mitovy amin’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, amin’ny fomba amam-pihetsika.

IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”

2129.Mandrara ny fanehoana rehetra an-tsary an’Andriamanitra ataon’ny tanan’ olombelona, ny didy avy Aminy. Manazava ny Deterônômy hoe: “Satria tsy nahita endrika velively ianareo, tamin’ny andro nitenenan’ny Tompo taminareo, tany Hôreba, teo afovoan’ny afo, dia tandremo sao miharatsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra mampiseho Azy na inona na inona ...” (Det 4,15-16). Ilay Andriamanitra Ambony tsy taka-polopolorina tanteraka no nanambara ny Tenany tamin’i Israely. “Izy no zavatra rehetra”, nefa koa “ambony noho ny asany rehetra Izy” (Ekl 43,27-28). “Izy rahateo no loharanon’ny hatsara rehetra amin’ny zavaboary” (Fah 13,3).

2130. Kanefa, hatramin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra no nandidy na nanome lalana ny famoronana sary izay hitarika amim-panehoana an’ ohatra ho amin’ny famonjen’ny Teny tonga nofo : tahaka izany ny bibilava varahina[60], ny fiaran’ny fanekena ary ny kerôbima[61].

2131.Miorina amin’ny misterin’ny Teny tonga nofo no nanamarinan’ny Kônsily ekiomenika fahafito tao Nicée (taona 787) ny fanajana am-bavaka ny sarimasina, hanoherana ny mpanohitra izany : ny sarimasin’i Kristy, nefa koa ny an’ny Renin’Andriamanitra, ny anjely ary ny olomasina rehetra. Tamin’ny fahatongavana ho nofo, no nisantaran’ny Zanak’Andriamanitra ny “fitantanam-pamonjena” vaovao momba ny sary.

2132. Tsy manohitra ny didy voalohany izay mandrara ny sampy, ny fanajana am-bavaka ataon’ny kristianina amin’ny sary. Satria, “ny fanajana atao amin’ny sary dia fanajana ilay olona voaseho amin’izany”[62], ary, “na iza na iza manaja ny sary dia manaja ny olona izay voaseho ao amin’izany”[63]. Ny fanajana atao amin’ny sary masina dia “fanajana mendri-kaja” fa tsy fitsaohana izay tsy sahaza afa-tsy amin’Andriamanitra irery :

Ny mari-panajana ara-pivavahana atao dia tsy mivantana amin’ny sary amin’ny tena maha-sary tokoa azy, fa mijery azy amin’ny endrika asehon’ny sary izay mitarika antsika mankany amin’Andriamanitra tonga nofo. Ary amin’izany ny fihetsika izay avantana amin’ny sary amin’ny maha-sary azy, dia tsy miantefa sy mijanona aminy, fa mankamin’ilay tena izy asehon’ilay sary[64].

 

FAMINTINANA

2133.Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo (Det 6,5).

2134.Ny didy voalohany dia miantso ny olombelona hino an’Andriamanitra sy hanantena Azy ary ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra.

2135. “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao (Mt 4,10). Ny mitsaoka an’ Andriamanitra, ny mivavaka Aminy, ny manome haja izay Azy, ny manatanteraka ny fampanantenana sy ny voady natao taminy, dia asan’ny herim-panahy enti-mivavaka izay mifandraika amin’ny fankatoavana ny didy voalohany.

2136. Mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina, ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra.

2137.Ny olona dia tokony ho afaka haneho amin-kalalahana ny finoana amam-pivavahana, na ampahibemaso na  tsy ampahibemaso[65].

2138.Fiviliam-panompoana izay ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina ny finoanoam-poana. Miseho amin’ny fanompoan-tsampy izany, ary koa amin’ny endrika samihafa miseho amin’ny sikidy amam-panandroana sy ny mazia.

2139.Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy, ny simônia, dia fahotana avy amin’ny faniratsiram-pivavahana voararan’ny didy voalohany.

2140. Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny didy voalohany.

2141.Ny fanajana am-bavaka ny sary masina, dia miorina amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra ho Nofo. Tsy mifanohitra velively amin’ny didy voalohany izany.

 

ANDALANA 2

Ny didy faharoa

 

Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao (Eks 20,7)[66].
Voalaza tamin’ny ntaolo hoe : « Tsy hianian-tsy to ianao. » (…) Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory (Mt 5,33-34).

I. Masina ny Anaran’ny Tompo

2142.Mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo ny didy faharoa.Toy ny didy voalohany, miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny didy faharoa sy manitsy amin’ny fomba manokana ny fampiasantsika ny fiteny momba ny zava-masina.

2143.Amin’ireo teny rehetra momba ny Fanambaràn’Andriamanitra, misy anankiray miavaka dia ny fanambaràna ny Anarany. Ankinin’ Andriamanitra amin’ireo izay mino Azy ny Anarany ; manambara ny Tenany amin’izy ireo ao amin’ny misteriny manokana Izy. Anisan’ny didy momba ny tsiambaratelo sy ny fiainana manokana ny fanomezana anarana. “Masina ny Anaran’ny Tompo.” Izany no antony tsy hahazoan’ny olombelona manonom-poana Azy. Manana adidy izy hitadidy izany ao anatin’ny fanginam-pitsaohana amam-pitiavana[67]. Tsy azony ampiasaina amin’ny fiteniny io Anarana io, raha tsy hoe hisaotra Azy, hidera Azy ary hankalaza Azy[68].

2144.Ny fanajana atao amin’ny Anaran’Andriamanitra dia maneho ny fanajana izay tokony hatao amin’ny misterin’ny Tenany sy amin’ny zava-masina rehetra izay ampahatsiahivin’izany mistery izany. Miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny fieritreretana zava-masina :

Fihetseham-po kristianina ve sa tsia ny fihetseham-po amin’ny fahatahorana sy amin’ny zava-masina ? Tsy misy olona mety hisalasala amin’izany raha misaina tsara izy. Ireo no fihetseham-po mety hananantsika, ary amin’ny heriny mafimafy kokoa, raha mahazo fahitana an’Andriamanitra avo indrindra isika. Ireo no fihetseham-po mety hananantsika raha “mahazo an-tsaina mazava” ny maha-eo Azy isika. Arakaraka ny inoantsika fa eo Izy no tokony hananantsika ireny fihetseham-po ireny. Ny tsy manana azy ireny, dia tsy mahazo an-tsaina velively, tsy mino velively fa eo Izy[69].

2145. Tsy maintsy mijoro vavolombelon’ny Anaran’ny Tompo ny mpino, amin’ ny fanambaràny ampahibemaso ny finoany tsy hanaiky ho resin-tahotra[70]. Ny asan’ny fitorian-teny sy ny asan’ny katesezy dia tokony ho heniky ny fitsaohana sy ny fanajana ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

2146. Mandrara ny fanaranam-po amin’ny Anaran’Andriamanitra ny didy faharoa, izany hoe ny fampiasana rehetra tsy mendrika ny Anaran’ Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina rehetra :

2147. Ireo fampanantenana atao amin’ny hafa amin’ny Anaran’ Andriamanitra dia mametraka ho antoka ny hajan’Andriamanitra, ny tsy fivadihany, ny hamarinany ary ny fahefany amin’ny fanatanterahana izany. Tokony hajaina amim-pahamarinana ireny. Ny mivadika amin’izany, dia manararao-dratsy ny fampiasana ny Anaran’ Andriamanitra, izany hoe manao an’Andriamanitra ho mpandainga[71].

2148. Manohitra mivantana ny didy faharoa ny faniratsirana. Fanononan-teny manohitra an’Andriamanitra izany – ao an-tsaina, ao am-po na ety ivelany – teny fankahalana, teny fanomezan-tsiny, teny fihantsiana, hitenenan-dratsy an’Andriamanitra, tsy hanajana Azy amin’ny teny aloaky ny vavan’ ny tena, hanararaotana ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra. Manome tsiny “ireo izay miteny ratsy ny Anarana tsaran’i Jesoa izay niantsoana azy ireo” i Md Jakôba (Jak 2,7). Miitatra hatramin’ny teny enti-manohitra ny Fiangonan’i Kristy, ny olomasina, ny zavatra masina, ny fandraràna ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Mbola faniratsirana koa ny mampiasa ny Anaran’Andriamanitra mba hanarontsaronana ny fomba amam-pihetsika mahameloka, hampanekena ny vahoaka ho amin’ny fanandevozana, hampijalijaliana na hamonoana ho faty. Mahatonga fandavana ny fivavahana ny fanararaotana amin’ny fampiasana ny Anaran’ Andriamanitra mba hanaovana heloka iray.

Manohitra ny fanajana tokony hatao amin’Andriamanitra sy amin’ny Anarany masina ny faniratsirana. Koa fahotana lehibe ny faniratsirana amin’ny maha-faniratsirana azy[72].

2149.Ny fiozonana, izay mampiditra ny Anaran’Andriamanitra, na dia tsy manana eritreritra haniratsira aza, dia tsy fanajana ny Tompo. Raràn’ny didy faharoa koa ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra ho toy ny mazia.

Lehibe ny Anaran’Andriamanitra eo amin’izay manonona Azy amin’ny fanajana sahaza ny halehibeny sy ny Fahamboniany. Masina ny Anaran’ Andriamanitra eo amin’izay manonona Azy amim-panajana sy tahotra ny hanevateva Azy[73].

II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana

2150.Mandrara ny fianianana tsy marina ny didy faharoa. Ny mianiana na miozona, dia ny maka an’Andriamanitra ho vavolombelon’izay lazain’ny tena fa marina tokoa. Izay ilay antsoina hoe miantso porofo ny hamarinan’ Andriamanitra ho antoky ny hamarinan’ny tena. Mametraka ny anaran’ny Tompo ho antoka ny fianianana. “Ny Andriamanitrao no hatahoranao, Izy no hotompoinao ; amin’ny anarany no hianiananao” (Det 6,13).

2151.Adidy amin’Andriamanitra ny mandà ny fianianana tsy marina. Amin’ny maha-Mpahary sy Tompo an’Andriamanitra, dia Izy no fitsipiky ny fahamarinana rehetra. Mifanaraka na mifanohitra amin’Andriamanitra izay Fahamarinana rahateo ny tenin’olombelona. Manazava ny fifandraisan’ny tenin’olombelona amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fianianana raha toa ka marina sy araka ny hitsiny. Miantso an’Andriamanitra hanaporofo lainga ny fianianana tsy marina. 

2152. Antsoina hoe mianian-tsy to ilay izay manao fampanantenana amim-pianianana, nefa tsy eritreretiny hotanterahina akory, na izay avy nampanantena nombam-pianianana, nefa tsy nanatanteraka izany velively. Anisan’ny tsy fahampiam-panajana lehibe an’ilay Tompon’ny teny rehetra ny fianianan-tsy to. Manohitra ny fahamasinan’ny Anaran’ Andriamanitra ny mampanantena arahim-pianianana hanao asa ratsy iray.

2153.Namelabelatra ny didy faharoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra i Jesoa : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: "Tsy hianiana tsy to ianao, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao." Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory (...). Aoka ny teninareo ho : "Eny, dia eny", "Tsia, dia tsia" : izay lazaina mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy” (Mt 5,33-34.37)[74]. Ampianarin’i Jesoa fa ny fianianana rehetra dia ao anatin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ka tokony hohajaina amin’ny teny rehetra ny fisian’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Ny mahatam-bava amin’ny fangataham-bonjy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiteny dia mitovy amin’ny fitandremana amim-panajana ny fisiany, manamarina na manevateva, amin’ny filazam-pahamarinana tsirairay ataontsika.

2154. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, manaraka ny nataon’i Md Paoly[75], dia mahatakatra an-tsaina fa tsy manohitra ny tenin’i Jesoa ny manao fianianana, rahefa atao noho ny antony lehibe sy rariny (ohatra : eo anatrehan’ny tribonaly). “Ny fianianana, izany hoe ny filazana ny Anaran’ Andriamanitra ho vavolombelon’ny fahamarinana, dia tsy mety haseho afa-tsy amin’ny fahamarinana, omban’ny fahaiza-mandanjalanja ary araka ny rariny sy ny hitsiny”[76].

2155.Ny fahamasinan’ny Anaran’Andriamanitra dia mitaky ny tsy hangataham-bonjy Aminy amin’ny zavatra tsinontsinona, sy ny tsy hianianana amin’ny fisehon-javatra mety hampahatonga hilaza Azy ho toy ny fankasitrahana ny fahefana izay mety hitaky izany amin’ny fomba tsy ara-drariny. Raha mpitondra tsy ara-dalàna eo amin’ny firenena no mitaky fianianana, dia azo lavina. Tsy maintsy lavina ny manao fianianana, raha toa ka angatahina ho amin’ny tanjona manohitra ny fahamendrehan’ny olona na ny fiombonan’ ny Fiangonana.

III . Ny anarana kristianina  

2156. Omena “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny Batemy, ny Anaran’ny Tompo  no manamasina ny olona ary ao amin’ny Fiangonana no mandray ny anarany ny kristianina. Izany dia mety ho anaran’olomasina, izany hoe mpianatra iray izay niaina ny fiainana tsy mivadika nalaina tahaka tamin’ny Tompony. Ny fitondrany ny anaran’ny olomasina no manome môdelim-pitiavana sy miantoka amin’ny fanelanelanany. Ny “anarana amin’ny Batemy” dia mety maneho koa ny mistery kristianina na ny hatsaram-panahy kristianina. “Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina”[77].  

2157. Atomboky ny kristianina amin’ny famantarana ny Hazofijaliana, “amin’ ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen”, ny androny, ny fivavahany ary ny ataony.  Manokana ny andro ho voninahitr’ Andriamanitra ny vita batemy, sy miantso ny fahasoavan’ny Mpamonjy, izay ahafahany manao asa amam-pihetsika ao amin’ny Fanahy amin’ny maha-zanaky ny Ray azy. Ny famantarana ny Hazofijaliana no mampahery antsika handresy ny fakam-panahy sy ny zava-manahirana.

2158.Antsoin’Andriamanitra amin’ny anarany avy ny olona tsirairay[78]. Masina ny anaran’ny olona rehetra. Ny anarana no  sarimasin’ny maha-olona. Mila fanajana izany, ho mariky ny fahamendrehan’ilay izay mitondra azy.

2159. Anarana ho amin’ny mandrakizay ny anarana nomena ny olona. Any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ny toetra mistery sy tokana ao amin’ny olona tsirairay voamariky ny Anaran’Andriamanitra no hamirapiratra amin’ny fahazavana feno. “Amin’izay mandresy, (...) homeko vatofotsy, misy anarana vaovao voasoratra izay tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany” ( Apôk 2,17). “Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’Ondry ; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy, samy mitondra ny Anaran’ny Zanak’ Ondry sy ny Anaran-dRainy, voasoratra eo an-kandrin’izy ireo” (Apôk 14,1).

 

FAMINTINANA

2160.Ry Tompo Andriamanitray ô, mba lehibe re ny Anaranao, manerana ny tontolon’ny zava-drehetra (Sal 8,2).

2161.Ny didy faharoa dia mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo. Masina ny Anaran’ny Tompo.

2162.Ny didy faharoa dia mandrara ny fampiasana tsy mendrika rehetra ny Anaran’Andriamanitra. Ny faniratsirana dia mifototra amin’ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina amin’ny fomba manevateva.

2163.Ny fianianana tsy marina dia ny miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona amin’ny lainga. Ny fianianana tsy to dia fahadisoana lehibe amin’ny Tompo izay tsy mivadika lalandava amin’ny fampanantenany.

2164. “Aza mianiana na amin’ny Mpahary, na amin’ny zavaboary, raha tsy amin’ny zavatra marina, ilaina ary  atao amim-panajana[79].

2165.Amin’ny Batemy ny kristianina no mandray ny anarany ao amin’ny Fiangonana. Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina. Ny fitondrany ny anaran’olomasina iray no manome môdelim-pitiavana sy miantoka ny fivavahany.

2166. Ny famantarana ny Hazofijaliana amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen, no anombohan’ny kristianina ny fivavahany sy ny ataony rehetra.

2167.Miantso ny tsirairay amin’ny anarany avy Andriamanitra[80].

 

ANDALANA 3

Ny didy fahatelo

 

“Tsarovinao ny andro sabata mba hanamasina azy. Mandritra ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao ; fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao. Tsy hanao asa na inona na inona ianao amin’izany” (Eks 20,8-10)[81].

“Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata; ny Zanak’olona dia tompon’ny sabata koa ” (Mk 2,27-28).

 

I. Ny andro sabata

2168. Ny didy fahatelo amin’ny Didy folo no mampahatsiahy ny fahamasinan’ ny sabata : “Ny andro fahafito dia sabata ; fitsaharana tanteraka natokana ho an’ny Tompo” (Eks 31,15).

2169. Ny Soratra masina, amin’io teny io dia mampahatsiaro ny fahariana : “Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, fa nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Koa izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro sabata, sy nanamasinany azy” (Eks 20,11).

2170.Ny Soratra masina dia maneho koa amin’ny andron’ny Tompo, ny fahatsiarovana ny fanafahana an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta : “Ho tsaroanao fa efa andevo tao amin’ny tany Ejipta ianao, ary ny Tompo Andriamanitrao no namoaka anao avy tany, tamin’ny tanana mahery sy sandry nahinjitra. Koa izany no nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata” (Det 5,15).

2171.Nankinin’Andriamanitra tamin’i Israely ny sabata mba hotandremany amin’ny maha famantarana ny fanekem-pihavanana tsy azo ravana azy[82]. Natao ho an’ny Tompo ny sabata, natokana amim-pahamendrehana amin’ny fiderana an’Andriamanitra, amin’ny tsanganasan’ny fahariany ary amin’ny asam-pamonjeny ho tombon-tsoan’i Israely. 

2172. Ny asa amam-pihetsik’Andriamanitra no môdelin’ny asa amam-pihetsik’ olombelona. Raha “niala sasatra” Andriamanitra tamin’ny andro fahafito (Eks 31,17), dia tokony “tsy hiasa” koa ny olombelona sy hamela ny hafa, indrindra ny mahantra hiala sasatra[83]. Ny sabata no mampitsahatra ny asa andavanandro sy manome fialan-tsasatra. Andro fandavana mafy ny fanandevozan’ny asa sy ny fitiavam-bola tafahoatra ny sabata[84].

2173. Ny Evanjely dia mitatitra zavatra maro tsy ampoizina izay niampangana an’i Jesoa ho mandika ny lalànan’ny sabata. Kanefa, na oviana na oviana, tsy banga tamin’ny fankamasinana io andro io i Jesoa[85]. Izy no nanome izany tamim-pahefana ny fanazavana ny dikany marina : “Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata” (Mk 2,27). Tamim-pangorahana ny Tenany i Kristy no nanome fahefana tamin’ny andro sabata, hanao ny tsara fa tsy ny ratsy, hamonjy aina fa tsy hamono[86]. Andron’ny Tompon’ny famindram-po sy ny haja amam-boninahitr’ Andriamanitra ny sabata[87]. “Ny Zanak’olona no Tompon’ny sabata” (Mk 2,28).

II. Ny andron’ny Tompo

Ity no andro nataon’ny Tompo, mifalia sy miravoravoa isika (Sal 118,24).

Ny andron’ny Fitsanganan-ko velona : fahariana vaovao 

2174. Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty i Jesoa, “ny andro voalohany amin’ny herinandro” (Mk 16,2)[88]. Amin’ny maha- “andro voalohany” azy, ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mampahatsiahy ny fahariana voalohany. Amin’ny maha- “andro fahavalo” azy izay manaraka ny sabata[89], dia midika ho fahariam-baovao nosantarina tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona izany. Ho an’ny kristianina dia nanjary voalohany amin’ny andro rehetra, voalohany amin’ny fety rehetra, ny andron’ny Tompo (Hè kuriakè hèmèra, dies dominica), ny “alahady” :

Miara-miangona izahay rehetra isaky ny andron’ny masoandro satria izany no andro voalohany [aorian’ny sabata jody, nefa koa andro voalohany] izay tamin’izany Andriamanitra, tamin’ny nanalany ny fototry ny maizina, no nahary an’izao tontolo izao, ary tamin’io andro io ihany koa, i Jesoa Kristy Mpamonjintsika no nitsangan-ko velona avy amin’ny maty[90].

Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata 

2175.Ny alahady dia miavaka mazava tsara amin’ny sabata izay dimbiasany amin’ny ara-potoana, isan-kerinandro, ary ho an’ny kristianina, dia fanoloana ny didy momba ny fankalazana lanonana. Izy no nanatanteraka, ao amin’ny Pakan’i Kristy, ny fahamarinana ara-panahy amin’ny sabata jody sy manambara ny fialan-tsasatra mandrakizay iainan’ny olombelona ao amin’ Andriamanitra. Satria ny fanajana lalina ny lalàna no nanomana ny misterin’i Kristy, ary izay natao tamin’izany no nampiseho an-tsary ny toetr’endrika sasany momba an’i Kristy[91] :

Ireo izay niaina araka ny didy tranainy momba ny zavatra maro dia tonga amin’ny fanantenana vaovao, tsy amin’ny fitandremana intsony ny sabata, fa amin’ny Andron’ny Tompo, izay amin’izany ny fiainantsika no voatsodrano amin’ny Alalany sy amin’ny fahafatesany[92].

2176. Ny fankalazana amin’ny andro alahady dia mitandrina ny didy ara-môraly nosoratan’ny Mpahary ao am-pon’ny olombelona “hanompo Azy amin’ny fomba miharihary, hita maso, ampahibemaso sy ara-potoana amin’ny famantarana ny soa ataony manenika an’izao tontolo izao ho an’ny olombelona”[93]. Ny fanompoam-pivavahana amin’ny andro alahady dia manatanteraka ny didy ara-môraly ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha izay anohizany ny famerimberenana ara-potoana sy ny foto-pisainana amin’ ny fankalazana isan-kerinandro ny Mpahary sy ny Mpanavotra ny vahoakany.

Ny Eokaristia amin’ny andro alahady 

2177.Ny fankalazana ny maha-andron’ny Tompo ny Alahady sy ny Eokaristiany no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana. “Ny alahady izay ankalazana ny misterin’ny Paka, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana manontolo ho andro voalohany indrindra amin’ny andro fety voadidy hohamasinina”[94]

“Toy izany, tsy maintsytandremana ny andro Nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny Epifania, ny Fiakarana any an-danitra sy ny Vatana aman-dRa Masina Indrindra an’i Kristy, ny andron’i Masina Maria Renin’Andriamanitra, ny Nahatorontoronina tsy azon-keloka azy sy ny Nampiakarana azy any an-danitra, ny andron’i Md Josefa, ry Md Piera sy i Paoly apôstôly ary ny Olomasina rehetra”[95].

2178.Izany fomban’ny kristianina miara-miangona izany dia nanomboka tamin’ ny fiandohan’ny vanin-potoanan’ny apôstôly[96]. Mampahatsiahy ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe : “Aza mandao ny fiarahantsika miangona toy ny fanaon’ny sasany tsy manao izany ; fa mifamporisiha ianareo” (Heb 10,25).

Ny lovam-pampianarana dia mitahiry ny fahatsiarovana momba ny famporisihana tsy mbola miova mandraka ankehitriny : “Tonga mialoha ao am-Piangonana, manatona ny Tompo ary mibaboka ny fahotana nataon’ny tena, manenina amin’izany eo am-panaovana vavaka (...). Manatrika ny litorzia masina sady mahatalanjona, mamita ny fivavahan’ny tena ary tsy miala ao mihitsy alohan’ny fanirahana (...).Matetika izahay no milaza izany fa : nomena ho anareo io andro io mba hivavahana sy hialan-tsasatra. Io no Andro izay nataon’ny Tompo. Mifalia sy miravoravoa isika, amin’io andro io”[97].

2179. “Ny paroasy no ankohonam-piangonana voafaritra mazava ho an’ny mpino, izay narafitra hijoro amin’ny fomba mafy orina amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ka ny fiadidiana pastôraly dia nankinina amin’ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy, amin’ny maha-mpiandry ondry ny tenany, eo ambany fahefan’ny Eveka mitondra diôsezy”[98]. Io no toerana izay mety hiangonan’ny mpino rehetra amin’ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny andro alahady. Ny paroasy no mampisantatra ny vahoaka kristianina amin’ny fanehoana andavanandro ny fiainana ara-litorzia sy mamory azy amin’ny fankalazana izany ; ny paroasy no mampianatra ny fitambaram-pampianarana momba ny famonjen’i Kristy ; ny paroasy no manatontosa ny fitiavan’ny Tompo ao anatin’ny asa tsara sy ara-pirahalahiana[99] :

Raha any an-trano ianao dia tsy afaka hivavaka tahaka ny ao am-Piangonana, izay ao no misy ny maro an’isa, izay ao no andefasana ny antso amin’Andriamanitra amin’ny fo miara-mitempo. Misy zavatra sasany fanampin’izany ao, dia ny firaisan-tsaina, ny fifanarahan’ny fanahy, ny fifamatoram-pitiavana, ny fivavahan’ny Pretra[100].

Ny adidy amin’ny andro alahady 

2180. Ny didin’ny Fiangonana dia mametra sy manoritra mazava ny Lalànan’ny Tompo : “Ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino”[101]. “Mahatanteraka ny didy amin’ny fandraisana anjara amin’ny Lamesa, izay manatrika ny Lamesa ankalazaina araka ny fombam-pivavahana katôlika amin’ilay andro fety mihitsy na ny harivan’ny andro mialoha”[102].

2181. Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana amin’ny antony marina tokoa (ohatra : ny aretina, ny fikarakarana ny zaza menavava) na nahazo lalana avy amin’ny mpitondra azy ireo[103]. Ireo izay minia tsy hanatanteraka izany adidy izany dia manao fahotana lehibe.

2182.Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana iombonana amin’ny Eokaristian’ny andro alahady no porofo ny maha-an’i Kristy sy ny maha-an’ny Fiangonany ny tenan’ny mpino, ary koa ny tsy fivadihana amin’Izy ireo. Amin’izany ny mpino no manamarina ny fiombonan’izy ireo ao anatin’ ny finoana sy ny fitiavana, miara-mampiseho ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fanantenan’izy ireo ny Famonjena, mifankahery eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

2183. “Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara amin’ny litorzian’ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny fiangonan’ny paroasy na amin’ny toerana masina hafa, raha misy izany fankalazana izany, araka ny fepetra noraisin’ny Eveka mitondra diôsezy, na koa mila milozoka amin’ny vavaka mandritra ny fotoana mety izy ireo, irery na miaraka amin’ny fianakaviana, na, araka ny fifanojoan-javatra, ao anatin’ny vondrom-pianakaviana”[104].

Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa

2184. Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba hifalian’ny rehetra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra sy amin’ny fotoam-pialam-boly ampy izay ahafahan’ izy ireo mikarakara ny fiainan’izy ireo ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-piaraha-monina ary ara-pivavahana[105]

2185. Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny Andron’ny Tompo, ny fanaovana asa fiantrana ary ny fialam-boly antonona ny saina sy ny vatana[106]. Ny fahantran’ny fianakaviana na ny filana lehibe ara-tsôsialy dia mahatonga fialan-tsiny eken’ny lalàna eo anatrehan’ny didy momba ny fialan-tsasatra amin’ny andro alahady. Hitandrina ny mpino mba tsy hampiditra fahazarana manimba eo amin’ny fivavahana, eo amin’ny fiainam-pianakaviana ary eo amin’ny fahasalamana, ny fialan-tsiny eken’ ny lalàna.

Mikatsaka ny fialam-boly marina ny fitiavana ny fahamarinana, ary mandray ny asa araka ny rariny ny filan’ny fitiavana[107].

2186. Aoka ny kristianina izay afaka miala voly mba hahatsiaro ny havana aman-tsakaizan’izy ireo izay manana izany filana sy zo izany koa, saingy tsy afaka miala sasatra noho ny fahantrana sy ny fahoriana. Ny alahady, araka ny nampitain’ny lovam-pampianarana, no natokan’ny  kristianina tia vavaka ho amin’ny fanaovana asa soa sy ho amin’ny fanampiana tsotsotra ny marary, ny kilemaina, ny antitra. Mbola fankamasinan’ny kristianina ny andro alahady koa ny fanomezana fotoana sy fikarakarana ho an’ny fianakavian’izy ireo sy ho an’ny tapaka sy naman’izy ireo akaiky, izay sarotra omena amin’ny andro hafa ao anatin’ny herinandro. Ny alahady no fotoam-pieritreretana, fotoam-panginana, fotoam-pampivoarana ny saina ary fotoam-pandinihana izay mampandroso ny fitomboan’ny fiainana anaty sady kristianina. 

2187. Mitaky ezaka iombonana ny fankamasinana ny alahady sy ny andro fety. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo. Raha mitaky ny kristianina sasantsasany hiasa alahady ny fanao mahazatra (fanatanjahan-tena, toeram-pisakafoana, sns.) sy ny fanerena ara-tsôsialy (asa fanompoam-bahoaka, sns.), dia ny tsirairay no tompon’andraikitra ny amin’ny fotoana ampy hialam-boly. Hitandrina amim-pahalalana onony sy amim-pitiavana ny mpino mba hisoroka ny fihoaram-pefy sy ny herisetra, matetika ateraky ny fialam-bolin’ny sarambaben’olona. Na dia eo aza ny fanerena ara-piharian-karena, hitandrina ny fanjakana hiantoka fotoana natokana hialan-tsasatra sy hanompoana an’ Andriamanitra, ho an’ny olom-pirenena. Manana adidy aman’andraikitra mitovy amin’izany ny mpampiasa eo anatrehan’ny mpiasan’izy ireo. 

2188.Amin’ny fanajana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana sy ny soa iombonan’ny rehetra, dia tokony hampahafantarin’ireo kristianina ny maha-andro tsy fiasana ara-dalàna ny alahady sy ny andro fetin’ny Fiangonana. Hanome oha-piainana fakan-tahaka mibaribary ho an’ny rehetra amin’ny vavaka sy ny fanajana ary ny hafaliana amin’izany izy ireo, sy hiaro ny lovam-panahin’izy ireo ho fandraisana anjara sarobidy amin’ny fiainana ara-panahin’ny fikambanan’ny olombelona. Raha toa manery hiasa alahady ny didy aman-dalànan’ny firenena na noho ny antony hafa, aoka io andro io, na dia izany aza, hiainana ho toy ny androm-panafahana antsika izay mampandray anjara antsika amin’ilay “fivorian-danonana”, ilay “fiangonan’ireo zoky, izay voasoratra any an-danitra” (Heb 12,22-23).

 

FAMINTINANA

2189. “Mitandrema ny andro sabata mba hankamasina Azy (Det 5,12) . Ho andro fialan-tsasatra tanteraka ny andro fahafito, voatokana ho an’ny Tompo (Eks 31,15).

2190.Ny sabata izay nanamarika ny fahavitan’ny fahariana voalohany dia nosoloana ny alahady izay mampahatsiaro ny fahariana vaovao, nosantarana tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.

2191.Mankalaza ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ny Fiangonana amin’ny andro fahavalo, ka marina tokoa ny iantsoana an’izany hoe andron’ny Tompo, na alahady[108].

2192.“Ny alahady (…) dia tsy maintsy tandremana eo amin’ny Fiangonana manontolo ho andro fety lehibe indrindra voadidy hohamasinina[109]. Voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino, amin’ny alahady sy amin’ny andro fety hafa voadidy hohamasinina[110].

2193.Amin’ny alahady na amin’ny andro hafa voadidy hohamasinina, ny mpino dia hifady ireo asa aman-draharaha samihafa, izay misakana ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy hatao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny andron’ny Tompo na ny fialam-boly mety ho an’ny saina sy ny vatana[111].

2194.Ny nanaovana ny alahady dia ny hanampy ny rehetra hanana fotoam-pialan-tsasatra sy fotoam-pialam-boly ampy, izay ahafahany mikarakara ny fiainany ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary ara-pivavahana[112].

2195. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo.


 
[1] jer. Lk 10,27 :  " …ny herinao rehetra ».
[2] jer. Det 5,6-9.
[3] jer. Eks 19,16-25 ; 24,15-18.
[4] Md Justin, dial. 11, 1.
[5] Catech. R. 3, 2, 4.
[6] jer. Rôm 1,18-32.
[7] CIC, can. 751.
[8] jer. Det 6,4-5.
[9] jer. Lk 1,46-49.
[10] Md Augustin, civ. 10, 6.
[11]jer. Am 5,21-25.
[12] jer. Iz 1,10-20.
[13] jer. Ôs 6,6.
[14] jer. Heb 9,13-14.
[15] CIC, can. 1191, §1.
[16] jer. Asa 18,18 ; 21,23-24.
[17] jer. CIC, can. 654.
[18] FF 42.
[19] jer. CIC, can. 692 ; 1196-1197.
[20] FVA 1.
[21] FVA 2.
[22] FFTK 2.
[23] FVA 14.
[24] FVA 1.
[25] APL 13.
[26] jer. FVA 1.
[27] jer. APL 13.
[28] jer. Léon XIII, enc. "Immortale Dei" ; Pie XI, enc. "Quas primas".
[29] FVA 2 ; FAA 26.
[30] FVA 2.
[31] FVA 6.
[32] jer. Léon XIII, ans. "Libertas praestantissimum".
[33] jer. Pie XII, lahateny 6 desambra 1953.
[34] jer. FVA 2.
[35] jer. Pie VI, bref "quod aliquantum".
[36] jer. Piex IX, ans. "quanta cura".
[37] FVA 7.
[38] jer. Mt 23,16-22.
[39] jer. Iz 44,9-20 ; Jer 10,1-16 ; Dan 14,1-30 ; Bar 6 ; Fah 13,1-15,19.
[40] jer. Sal 42,3 ; sns.
[41] jer. Apôk 13-14.
[42] jer. Gal 5,20 ; Efez 5,5.
[43] Origène, Cels. 2,40.
[44] jer. Det 18,10 ; Jer 29,8.
[45] jer. Lk 4,9.
[46] jer. 1 Kôr 10,9 ; Eks 17,2-7 ; Sal 95,9.
[47] jer. CIC, can. 1367 ; 1376.
[48] jer. Asa 8,9-24.
[49] jer. efa hita ao amin’i Iz 55,1.
[50] CIC, can. 848.
[51] jer. Lk 10,7 ; 1 Kôr 9,4-18 ; 1 Tim 5,17-18.
[52] FAA 19,§1.
[53] FAA 20,§1.
[54] FAA 20,§2.
[55] jer. Rôm 1,18.
[56] FAA 19,§3.
[57] jer. FAA 20,§1.
[58] FAA 21,§3.
[59] FAA 21,§7.
[60] jer. Fan 21,4-9 ; Fah 16,5-14 ; Jo 3,14-15.
[61] jer. Eks 25,10-22 ; 1 Mpanj 6,23-28 ; 7,23-26.
[62] Md Basile, Spir. 18, 45.
[63] Kôns. Nisea II : DS 601 ; jer. Kôns. Trente : DS 1821-1825 ; jer. Kôns. Vatikana II : L 125 ; FF 67.
[64] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 81, 3, ad 3.
[65] FVA 15.
[66] jer. Det 5,11.
[67] jer. Zak 2,17.
[68] jer. Sal 29,2 ; 96, 2 ; 113,1-2.
[69] Newman, par. 5, 2.
[70] jer. Mt 10,32 ; 1 Tim 6,12.
[71] jer. 1 Jo 1,10.
[72] jer. CIC, can. 1369.
[73] Md Augustin, serm. Dom. 2, 5, 19.
[74] jer. Jak 5,12.
[75] jer. 2 Kôr 1,23 ; Gal 1,20.
[76] CIC, can. 1199, §1.
[77] CIC, can.855.
[78] jer. Iz 43,1 ; Jo 10,3.
[79] Md Ignace , ex. spir. 38.
[80] jer. Iz 43,1.
[81] jer. Det 5,12-15.
[82] jer. Eks 31,16.
[83] jer. Eks 23,12.
[84] jer. Neh 13,15-22 ; 2 Tant 36,21.
[85] jer. Mk 1,21 ; Jo 9,16.
[86] jer. Mk 3,4.
[87] jer. Mt 12,5 ; Jo 7,23.
[88] jer. Mt 28,1 ; Lk 24,1 ; Jo 20,1.
[89] jer. Mk 16,1 ; Mt 28,1.
[90] Md Justin, apol. 1, 67.
[91] jer. 1 Kôr 10,11.
[92] Md Ignace d’Antioche, Magn. 9, 1.
[93] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 122, 4.
[94] CIC, can. 1246, §1.
[95] CIC, can. 1246, §1.
[96] jer. Asa 2,42-46 ; 1 Kôr 11,17.
[97] Pseudo-Eusèbe d’Alexandrie, serm. dom.
[98] CIC, can. 515, §1.
[99] Jer. Joany Paoly II,  CL 26.
[100] Md Jean Chrysostome, incomprehens. 3, 6.
[101] CIC, can. 1247.
[102] CIC, can. 1248, §1.
[103] jer. CIC, can. 1245.
[104] CIC, can. 1248, §2.
[105] jer. FAA 67, §3.
[106] jer. CIC, can. 1247.
[107] Md Augustin, civ. 19, 19.
[108] jer. L 106.
[109] CIC, can. 1246, § 1.
[110] CIC, can.1247.
[111] CIC, can.1247.
[112] FAA 67, § 3.
 

  

top